04 septembre 2008
Mitady ny tsy misy aho…
Tsy mitady olona manankarena aho, satria haiko ny mitady vola irery.
Tsy mitady olona hovadiana aho, satria tsy inoako akory
…ny hasin’ny fanambadiana.
Tsy mitady olona tsy mba mifoka sy tsy misotro aho,
satria ilaina koa ny mirevy indraindray.
Tsy mitady olona tsy mba miodina mihintsy aho : fantatro fa malemy ny nofo, indraindray. Ary soa ihany fa malemy ny nofo, satria raha ny toetra ratsiko irery dia tsy mba mendrika ny hitiavany ahy akory… (tsy manakivy aho fa haiko ihany ny lafiratsin’ny lohako)
Tsy mitady olona hampijaliana aho, satria ….
efa talentan’ny fiainana izany !
Tsy mitady anjely aho : izaho aza demony ! Olona hotiavina dia ampy, ary manam-po sy fotoana hitiavana ahy koa. Na tsy ny fiainana manontolo aza. Fa tsy iray segondra koa anefa.
Olona tsy mieritretitra ny hanataka, na dia tsy mba misy ho tatahana aza aty amiko. Izaho rahateo koa tsy hanataka, fa fomban’ny tsy manan-kambo izany.
Olona tsy vadin'ianona ary tsy hampirafy "loatra".
Ary raha hampirafy aza dia hitandrina foana izay tsy hanafintohina, satria efa tsy manakana azy tsy hiodina rahateo aho.
Izaho anefa tsy mampirafy, tsy hoe i Maria Virijiny na koa fanaperana fa…misy fetrany ny fasahiako.
Olona hisaina ny alaheloko rehefa hilaozany aho, ka hitady fomba mendrika sy mihaja mba handaozana ahy
( vonoiko itena raha manao fialan’ny jiosy)
Olona tsy hiteny hoe « ok, milay zany » raha holazaiko fa « tiako ».
Ary tsy hanery ahy hiteny hoe « tiako » koa vao hahatsapa izany... Olona mahaleo tena, salama saina. Nefa, aleo mivika kely ihany… Mananko-lazaina, fa tsy be lazao koa anefa. Olona hiteny amiko ny tiany sy ny tsy tiany fa tsy hiaritra fahatany ohatran'ny tsy manan-katao. Olona mahazaka koa ny hilazako aminy ny tiako sy ny tsy tiako, kanefa hiezaka aho ny hilaza izany am-pahatoniana… Na dia milay kokoa aza ny filazako azy rehefa mandroatra ny foko.
Olona mahay mahandro sakafo, mba tsy ho faty noana izahay roa…
Olona mahalala-tsaina ka tsy ho tezitra na taitra raha manana fantasme aho, satria izaho olombelona.
Olona manana fantasme koa fa tsy vato aman-kazo.
Ary tsy ho menatra hilaza izany amiko. Ary tsy ho tafintohina koa raha hotanterahako izany. Na koa ho laviko.
Olona mahatoky sy afaka hitokiako ka tsy handany andro hifampitsikilo.
Tsy ianao anefa izany raha ratsy be ianao, na mahia kely, na fohy, na banga, na mitondra aretina, indrindra moa ka adala…
Tsy ianao koa izany raha tsy ampy fialamboly ianao, na tsy mahay mampihomehy mihintsy.
Tsy ianao koa raha tsy mahazo blague mihintsy ianao, na koa mahay ny hiran’i Céline Dion tsianjery, na manao slip kangourou…
Tsy ianao koa raha olona tsy manan-kilema ianao, nefa tsy mbola ianao ihany raha olona tsy misy kilema no andrasanao aty amiko.
Tsy ho tafa koa raha mahery setra na fiteny ( fa tafa be kosa anefa raha mahery setra sy fiteny rehefa…)
Na koa lasa adala amin’ny fivavahana…
Tsy ianao mihintsy koa raha ohatra ka avy mamaky an’ity taratasy ity ianao dia sahy hilaza fa « tena mety amiko izany»
Satria raha izany no marina dia mora kely ny manjono anao,
fa blibla dia tafa.
Nefa raha hilaza koa ianao fa " tsy mety amiko izany " na koa hoe "toa mampatahotra kle"…
Dia tsy mbola ianao ihany !
Efa omeko anao ambony vilia volamena ve izao tontolo izao sy ny foko, ary ny fahalalahana sarobidy aminao ( He zany izy!!!) dia mbola sahinao ny hiteny amiko fa ... tsy mety ? Tena mba saro-tiavina...
Ary farany, tena tsy hahita rirany mihintsy ianao
raha tsy mahay mila vaniny ohatr’ahy. Mitady ny tsy misy aho ka mila voatsihary. Fa mampaninona moa ny manantena? Ny hafa aza, hono, olona « mampaniry elatra » no ilainy… Jeune demoiselle ne recherche plus un mec mortel...
10:06 Ecrit par Mialy dans Mon coeur est un salaud! | Lien permanent | Commentaires (40) | Envoyer cette note | Tags : mialy s'en fout
18 mai 2008
Vehivavy mpanafintohana!!!
- Ho ahy aloha dia mena io e.
- Tsy mena io fa manga
- Manga ahoana e ? Izao mena dorehitra izao ka ho manga ?
- Manga re io e !
- Mena io hoy aho, fa ianao ve misaina e ?
- Hanenenao izany vavanao izany any aoriana.
Raha tsy izay dia hoe :
- Mena io e ?
- Manga io, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.
- Mena io, raha ny masoko no mijery aloha e.
- Manga io ka. Jereo Korintiana toko sy andininy.
- Ka tsy izany ange fa…
- ‘Ndao fa hotafintohana eny am-baravam-piangonana fa miziriziria amin’ny hevi-diso eo ihany.
Ary ny tena mahatapa-tsinay ahy tanteraka dia ity :
- Mena no vahaolana amiko.
- Manga no mety, amin’ny maha olombelona.
- Ka mena no hitako fa mety, noho ity sy ity.
- Tena maivan-doha ianao fa izao ange no antony maha-tsara ny manga.
- Tsy vahaolana izany raha ny fijeriko, satria izao sy izao.
- Ianao io mantsy no mihevi-tena ho manana ny marina.
Lehibe ihany aho ity, na dia mbola 27 taona monja aza. Fa tsy dia niova firy ny fanaon’ny olona. Dia izaho sy ireo izay mitovy amiko mihomehy foana hatrany ( on est les idiots du village, c'est pour ça). Ho ahy izao ny maintso no tena tiako. Maintso kely, maintso be, maintso mavana, maintso tanora, maintso lomotra… Maintso e. Ka jereo ange, atsy sy eroa ao anatin’ity blaogy ity fa izao sipakely (sa sipabe?) izao no :
- Mamingavinga an’Andriamanitra ( Andriamanitra Kristianina io. Io ihany mantsy no heverina fa tsy azo kitihina fa ny an’ny hafa ohatran’ny toa zarany aza misy mikitika. Hahahahaha !!!)
- Mandiso ny fiainany sy ny fiheverany ny tenany.
- Misetrasetra.
- Miaro ny ratsy indrindra eto an-tany.
- Mampiana-dratsy ny olona ( ny olona izay heverina ho bodo sy adala ka bilaogy kely ity avy dia ampy hanodina ny sainy?)
- Ary… ho faty aho indray andro any ka hanenenako izany.
Dray ry lanitra ô ! Meloka aho, tena meloka. Manoloana ity vahoaka be tsy manan-kilema ity, izay manana ny "marina" sy ny "rariny" sy ny "hitsiny" amin'izay rehetra miseho eto an-tany, tena meloka aho fa vehivavy faran’izay ratsy, ratsy, raaaaaaatsy. Maninona ary no maintso no loko tiako, fa maninona raha mitovy amin’ny rehetra ny safidiko ? Maninona aho no mihevitra fa tokony mba hitady ny marina ho ahy koa, raha sanatria ka tsy mahafapo ahy ny marina heverin'ny olon-drehetra? Dray re, ry razako e. Fa maninona raha tsy nijanona tamin’ny toerako aho, ka tsy mba nanana hevitra ho ahy mihintsy ? Maninona ary no tsy mba mitovy hevitra foana ny olona, sitrany ahay tsy tafintohina ny hafa ? Sitrany ahay ny marina ho an’ny hafa foana no mba marina. Tsara ery izao izany tsy misy mpanozongozona izany.
Non les braves gens n'aiment pas que l'on suive une autre route qu'eux.. » (*)
Nefa ange dia tiako ery ny olona rehefa tsy mitovy hevitra amiko iny. Matsiro ery ny miresaka aminy. Indrindra moa ka rehefa resiny lahatra aho fa tsara sy mitombina ny heviny….
16:26 Ecrit par Mialy | Lien permanent | Commentaires (22) | Envoyer cette note | Tags : mialisoa randriamampianina, mialy s'en fout
08 février 2008
Procrastination, hibernation, catatonie et autres mystères...
Je ne suis définitivement pas une personne sur qui l'on peut compter. Il a fallu que je me déconnecte un peu (ce qui en soit est une bêtise puisque je suis déconnectée depuis des mois) pour que mes idées se replacent. Réveillée de mon coma ouateux, je me suis subitement rendue compte que mes cheveux sont en pétard, qu'un orage fond sur la ville et que mes fenêtres ne sont pas fermées et que je n'ai plus rien de décent à me mettre.Je n'étais pas sûre que c'était le matin. Je croyais qu'il était midi passé. Enfin, je ne sais pas. La seule pendule que je possède n'est pas à l'heure, elle se met au diapason avec mon horloge biologique ( recule, mais recule, 'taaaaaain).Je ne sais pas pourquoi je ne réponds pas au téléphone. Et comme l'idée de l'entendre claironner m'énerve déjà, je l'éteins. Je ne suis déjà plus aux mails depuis des jours et des jours. Minimum syndical: que les mails professionnels où c'est écrit "Urgent" et surtout pas les mails sympas où c'est écrit :" Salut, alors, tu vas bien?" et encore moins aux "Et ce Qynxczoxteya...ou est ce que t'en es?" Je ne sais pas pourquoi. En fait, si, je sais. J'ai la flemme de. Mais ça, je ne sais pas pourquoi, j'ai juste la
flemme. Alors pas mal de monde m'a en grippe ces derniers temps. Je n'ai pas d'excuse, je suis impardonnable mais je n'y arrive pas. Je regarde le clavier et j'ai envie de dormir. Alors j'éteins mon poste pour limiter les dégâts. D'ailleurs pour me limiter moi-même, j'hiberne en plein été. Je "m'étérnise". Ce n'est pas l'envie de sortir qui me manque dans la mesure où mes pensées passent leur temps à vadrouiller. Mais je ne suis pas foutue de lever un orteil. Je me dis que je vais nettoyer ce foutoir, briquer ce fichu parquet et me faire un plat honorable à base de légumes et de poisson. Râté. A midi, je suis vaporeusement installée sur "ma" table dans "mon" restaurant, commandant allègrement "mon" poulet à la sauce d'huître. Donc j'ai pris un congé. Le plus long possible. Pour mieux comprendre. Mais je n'ai pas la tête à ça. Il faudrait une petite folie, me dis-je. La folie du shopping a échoué. Je me retrouve avec des tailleurs coupés comme une arme nucléaire qui me donnent un air de "je suis de La City, trader VIP", un trou énorme dans mon budget du mois et toujours au même point qu'hier, avant-hier et le jour d'avant. Alors je me décide à lire. Et la seule phrase qui me reste en tête c'est : "Mrs Dalloway est sortie acheter des fleurs." Des fleurs. Bon sang. La
crise d'hibernation vous fait faire des fixettes bizarres. Par exemple, j'ai un souvenir très pointu des escarpins roses à bouts carrés de Ando, au réveillon. Ils étaient d'un vieux rose et j'entends toujours sa voix qui annonce : "Tsy matahotra orana ireo kiraro ireo.." Mystère, que la mémoire. Rassurez-vous (mais pourquoi d'ailleurs, z'en foutez lol) j'ai au moins le mérite d'essayer de prendre le taureau par les cornes. La première journée qui me promet d'être accueillante, je promets de lui être charmante. Ca s'est fait il y a une semaine alors je me suis levée, je me suis fait un bon café, j'ai sorti chiffons et têtes de loup et j'ai nettoyé, briqué et me suis mitonné une bonne salade, j'ai essayé de faire avancer ce petit truc qui me tient à coeur et qui théoriquement devait me maintenir en vie mais que je laisse mouurir pour cause de catatonie cervicale. Je n'en suis pas encore à l'étape "Je lis mes mails" et "j'utilise mon téléphone", ni même à "je suis dehors depuis trois heures" et je ne sais toujours pas pourquoi Mrs Dalloway est allée chercher des fleurs. Mais je me soigne. Donc si ce blog venait à mourrir, vous savez quoi penser...Et je vous interdis d'en faire autant. 14:40 Ecrit par Mialy | Lien permanent | Commentaires (30) | Envoyer cette note | Tags : MIALY S'EN FOUT
11 octobre 2007
Rappelez-moi...
Si vous passez par là, rappelez-moi...
De me réveiller tôt, pour profiter de mes matins.
De ne pas me coucher tard, pour profiter de mes nuits.
De ne boire qu'une et une seule tasse de café dans la journée.
De ne pas dire que j'arrête le café quand je sais que je ne tiendrais pas longtemps.
De dire à Dada et Neny que je les aime, le plus toujours possible.
De toujours bien faire mon travail, n'est-ce pas.
De sourire.
D'être reconnaissante.
De ne plus porter des jupes trop courtes, même si je sais que je les porterai quand même...
De ne plus me goinfrer de brownies.
De faire du sport, autre qu'aller de mon lit à la salle de bains, à pieds...
De ranger ce gentil foutoir qui est ma maison.
D'écrire en malgache...(Ce que je ne fais pas, effectivement...)
De me défaire de ma colère.
De ne pas rire toute seule, dans la rue.
De prier.
De terminer ce truc, ce gros petit truc que j'ai commencé.
D'accepter que les morues sont des morues, quoi que je fasse.
De cuisiner.
De ne pas parler le méchant.
De ne pas rire avant de terminer les blagues que je raconte.
De comprendre qu'il y a aussi des gens comme ça, malheureusement.
D'aimer à en crever, même si...
De dire merci, "à qui de droit".
De toujours trouver la force de dire "Mialy s'en fout". Et de le penser.
16:55 Ecrit par Mialy | Lien permanent | Commentaires (5) | Envoyer cette note | Tags : Mialy s'en fout
29 avril 2007
Le bouc
19:30 Ecrit par Mialy | Lien permanent | Commentaires (5) | Envoyer cette note | Tags : Mialy s'en fout, bouc, foi