21 janvier 2008
Hira malahelo...
Lafarinina 1 kg
Leviora 1 kg
Tantely 250g
Sira
Menaka
Leviora 1 kg
Tantely 250g
Sira
Menaka
Hitako omaly ireo zanakao,
Tao an-tokotany tao nilalao.
Ataovy ao anaty vilia jobo ny lafarinina.
Araraho ny leviora miaro rano matimaty iray vera.
Hitondra bônbôn ve izaho sa sôkôla
Ho an'ny zanakao mianadahy.
Ho an'ny zanakao mianadahy.
Asio sira dia volavolao amin'ny tanana mandra-paha malemy ny paty.Saromana lamba dia avela mipetraka eo adin'ny telo.
Mitovy aminao ikalavavinao
Tahafiny ireo masonao
Tahafiny ireo masonao
Rehefa vita ny adin'ny telo dia anapaho tsikelikely ny paty. Ataovy boribory ohatran'ny peratra.
Ilay lahy kosa maherihery setra
Mitovy taminao naditraditra
Mitovy taminao naditraditra
Arotsahy anaty menaka mafana.
Tonga dia hafanao anaty lapoaly ny tantely.
Hitako omaly koa ilay vadinao
Izy angamba mahafinaritra
Izy angamba mahafinaritra
Rehefa milokom-bolamena iny ilay mofo dia arotsahy anaty tantely. Aza atao ela fa sao mamy loatra.
Niafona aho anefa toy ny mpangalatra
Ny marimarina izaho menatra
Ny marimarina izaho menatra
Apetraho anaty vilia avy eo.
tsy hifanatrika aho tsy handroso
fa ianareo roa ho ambinin-tsoa
fa ianareo roa ho ambinin-tsoa
Ary avelao hangatsiaka vetivety.
Tsaroako ianao fahiny
mihinana mofo tantely
mihinana mofo tantely
Dia iarahanareo roa mihinana ...
Ity vetsovetso ataoko androany ity.
Ho anao ilay tsy lany mamy...
Ho anao ilay tsy lany mamy...
20:25 Ecrit par Mialy | Lien permanent | Commentaires (4) | Envoyer cette note | Tags : mofo tantely, mahaleo
