11 novembre 2008
Ovay ny foko...
Tompo ô, ovay ny foko mba ho mora anarina
Toy ny an'ny zazakely tsotra sady marina
Tsy mialona, tsy maditra, fa manao ny sitrakao…
Zaza ka tsy te hifidy izay omenao ahy anio
Ny ho azoko ampitso dia ankinina Aminao
Koa tsy manahy aho, f’efa niantohanao.
Zaza tsy maharo tena fa miankina amin-dray
Tsy mahery, tsy mba hendry ary tsy mahay mandeha
Ianao no Raiko tia, Raiko be faharimpo
FFPM - 470
18:48 Ecrit par Mialy dans Entre chien et loup | Lien permanent | Commentaires (16) | Envoyer cette note | Tags : ffpm, fihirana protestanta