08 avril 2008
Les monologues du vagin
Ity manaraka ity dia tsy natao ho an’ny olona manana fahasahiranana amin’ny teny gasy sy amin’ny teny milaza ny «mamoha fady ». Natao "déclamation" nandritra ny "soirée littéraire" kely, ka dika malalaky ny ampahany fohy amin'ilay tantara an-dampihazo nosoratan'i Eve Ensler. Sangan'asa izay heverina ho andry hijoroan’ny tolon’ny vehivavy eran-tany : « Les monologues du vagin », nadikako tsotsotra hoe ....« Ireo tanisan’ny fory » (fivaviana, c'est bof loatra). Hazavaiko kely fotsiny ho an'izay tsy mahafantatra: io tantara io dia niainga tamin'ny resadresaka niarahana tamin'ny vehivavy maherin'ny 200 eran-tany: samy hafa fihaviana, finoana, firenena, firehan-kevitra, asa, tantaram-piainana sy ny sisa ka nahafahan'i Eve Ensler nanangana tantara manodidina ny "vagin". Indraindray mampalahelo, indraindray mampihomehy, na manaitra, na mankarary fo, mahamenatra, na... mamelona filana ny tantara. Fa ireo rehetra ireo koa dia tantaram-behivavy. Ity ampahany ity dia tantarana vehivavy silamo bosniaka naolana miaramila, nandritran'ny ady tao ex-Yougoslavie. Nosafidiko manokana ny handika azy noho ny lanjan'ny tsiambaratelo. Nosafidiko koa satria... io no ampahany io no angamba tsy hahasadaikatra anareo "puriste" indrindra ny mamaky azy ( na dia tsy évident ny mandika azy, finalement). Dia mikopakopaka kely an'i Michael Keaton any lavitra any izay manohitra ny "fampijaliana ny teny gasy" ( il se reconnaîtra, hoy ny fitenenena) :))))
Ilay foriko, ilay tananàko…
Saha maitso mavana sy mavokely ny foriko fahizay. Afaka nihinam-bilona tao ny ombivavy. Afaka nisafosafo ahy tamin'ny horonam-bozaka maina ilay fofombadiko.
Izao, misy zavatra eo anelanelan’ny feko. Tsy haiko hoe inona… Tsy haiko hoe aiza. Tsy tiako kitihina. Tsy tiako intsony. Hatramin’izay nitrangany. Tsy tiako intsony. Hatramin’izay. Fory tia korana ny ahy taloha, tsy andriny mihintsy, fa mitanisa izy, mitanisa foana…
Kanefa hatramin’izay nanofisako fa misy biby maty mizaitra @ kofehy mainty eo anelanelan’ny feko, dia nangina izy. Mameno ny tenako ny fofona maimbon’ity biby ity. Mandeha rà ny tendany, voakapa, ka mandoto ny akanjoko.
Nahafantatra ny hiram-behivavy, ny hiran’ireo tantsaha, ireo hiran’ny alan-dohataona sy ny vazon’ny firenen-drehetra ny foriko. Fa tsy nihira intsony izy, rehefa nampidirin’ireo miaramila tany anatiny ny loha-basiny. Mamanala ery izato vy, ka nangatsiaka hatramin’ny foko. Hitifitra ve izy ireo, sa hasisiny hatrany anatin’ny ati-dohako efa folaky ny tahotra ity basy ity : tsy haiko. Fa...nandentika tavoahangy, kanonta sy vodin-kifafa tao anatiko ny enina t@ ireo biby mahatsiravina misaron-doha mainty ireo.
Renirano mahafinaritra hilamanosana ny foriko fahizay, rano mangaharahara, mitsoriaka ambon’ireo vato danihan’ny masoandro, ambonin’ny vaton-kindiko. Nikoriana hatrany hatrany. Fa hatramin’ny nahenoko ilay hiaka maranitry ny nofoko rovitra, dia tsy nikoriana intsony ilay renirano. Tsy nikoriana intsony, rehefa niongotra teo an-tanako ny ilan’ny foriko, ny ilan’ny kindiko. Ilay foriko. Ilay tananako. Tanana velona, mamy sy mafana. Ny foriko, ilay toerana nahaterahako.
Nandritran’ny fito andro, dia nifandimby izy rehetra, nameno tembo ny anatiko, maimbo tay sy lo. Hatramin’izay dia tsy nitoerako intsony ny foriko. Lasa renirano nisarika nana sy poizina aho, hany ka maty avokoa na ny vokatra, na ny trondro.
Ilay foriko, ilay tananako, mamy sy mafana. Notafihany ianao. Novonoiny. Nodorany. Tsy afaka mikitika anao intsony aho. Tsy afaka hijery anao intsony. Any an-kafa aho no mitoetra, ankehitriny. Any an-kafa. Fa tsy haiko hoe aiza.
Extrait de "Les Monologues du Vagin" de Eve Ensler.
Édition Denoël & d'Ailleurs, 2005.
18:06 Lien permanent | Commentaires (30) | Envoyer cette note | Tags : eve ensler, monologues du vagin