16 septembre 2008

"Mahazo maty"

Isaky ny ady sarotra

Izay manambana an-tokonako

Impiry aho no niady varotra

Hitombo ny hery hitolomako ?


Impiry koa no nirarariako

Hohalavaina refy ny androko,

Hiarovako ny tiako

Sy ny anjara-masoandroko ?


Ny sandry anefa ity toa trotraka

Kiry sisa mitsingevana

Raha mbola hiady sao dia potraka

Fa efa hazo amoron-tevana !


Kanjo, indro, fa nitràka

Ny zatovon’ny tanànako :

Nifandrombaka sy naka

Ilay "fanilo" teny an-tanako.


Nohirainy tsy miambatra

Ny fitiavany ny taniny.

Nomeny toky fa ho sambatra

Izato firenena maminy.


Lasa teo ilay fieremako

Ny adi-varotro nofoanako.

"Mahazo maty ialahy, ry tenako !

fa mijoro ny taranako" !


RADO, 04 mey 1972

DINITRA


Le poète s'est éteint aujourd'hui à 1h du matin, à Soavinandriana...