19 décembre 2007
Asa izay raha tsapany....
Hafahafa ho'aho ny tontolon'izy iny
Zakaranda mipoapoaka
Fonfon-tany mando no mba tiany
Rehefa volana Oktobra
Fonfon-tany mando no mba tiany
Rehefa volana Oktobra
Orana mitendry ny fanitso
Izay no hira tiany indrindra
Ilay masoandro mody hamonjy ampitso
Sinemany takariva
Izay no hira tiany indrindra
Ilay masoandro mody hamonjy ampitso
Sinemany takariva
...
Fa nitoetra teo iny fitiavako iny
Tsy mba nisy resa-be
Arahaba iray, tsiky no nidify
Tsy mba nisy resa-be
Arahaba iray, tsiky no nidify
Dia samy lasa nandeha
Samy mba nanohy ny eritreriny any
Ny azy aloha tsy fantatro
Fa ny ahy niova hira ihany
Ny azy aloha tsy fantatro
Fa ny ahy niova hira ihany
Asa izay raha tsapany...
Zakarandà, Lolo sy ny Tariny
23:39 Ecrit par Mialy | Lien permanent | Commentaires (13) | Envoyer cette note | Tags : JACARANDA, LOLO SY NY TARINY