15 septembre 2007
Ny vavaky ny Zoam
(Mba) Nampirina trano 'za androany dia nahita tampoka an'ity tantara ity tao anaty boky. Zavatra tsy mba niainako ity fa mety niainanareo. Tantarao anay "inculte du passé" hoe nanao ahoana izany fotoana izany. 2002 ange mantsy no mba afaka tantaranay aminareo, fa isaky ny te hitantara aminy "olon-dehibe" izahay dia misy miteny foana hoe "aza ampitoviana fa tsy mitovy e!". Rehefa tsy hoe "Ny tamin'ny andronay tolona, ny tamin'ny andronareo coup monté!" Asa re...
Ny vavaky ny Zoam*
O ry Ray ao ambony,
Ho hamasinina anie ny anaran'Itony
Hatao anie ny kléan'Itony
Ho tonga anie ny revin'Itony
Et an-tany fa tsy revin-drongony
Omeo anay anio aloha ny sogany androany
Fa rahampisto mbola mety hitomany
Mamelà ny tsy revin'Itony
Izahay anie tsy misotro rongony
Aza mitondra anay amin'ny kizo
Fa kôzy bonne atao...
Isika Zoam*
Izany Ferega sy ireo ôgany
Dia manenjika anao tamin'ny jazy sy jaolany
Ny kôzy amin'izay tsy kôzy intsony
Ampangaina ny bandy ho mpirevy rongony
Tsy ny bandy ihany anefa fa ao ireo kitsay
Izay lazaina ho mofo sy tsy mba milay
Tsy mba misy mihitsy ny tsontsongona
Fa mihatra ny daka ary koa ny vonoana
Tsy taitra ary isika fa tena solotra
Satria izay rovitra mbola ho voazaitra
Dia mitohy indray ary izany ny tantara
O ry Ray ao ambony,
Ho hamasinina anie ny anaran'Itony
Hatao anie ny kléan'Itony
Ho tonga anie ny revin'Itony
Et an-tany fa tsy revin-drongony
Omeo anay anio aloha ny sogany androany
Fa rahampisto mbola mety hitomany
Mamelà ny tsy revin'Itony
Izahay anie tsy misotro rongony
Aza mitondra anay amin'ny kizo
Fa kôzy bonne atao...
Isika Zoam*
Izany Ferega sy ireo ôgany
Dia manenjika anao tamin'ny jazy sy jaolany
Ny kôzy amin'izay tsy kôzy intsony
Ampangaina ny bandy ho mpirevy rongony
Tsy ny bandy ihany anefa fa ao ireo kitsay
Izay lazaina ho mofo sy tsy mba milay
Tsy mba misy mihitsy ny tsontsongona
Fa mihatra ny daka ary koa ny vonoana
Tsy taitra ary isika fa tena solotra
Satria izay rovitra mbola ho voazaitra
Dia mitohy indray ary izany ny tantara
K'aza mitaraiky fa mihainoa tsara
* "Zwam" no nosoratako teo t@ voalohany (ka Zwam tsinona no tao anatin'ilay boky koa!) fa Zoam ny marina. Jereo comment Rajiosy, io ambany io.
19:55 Lien permanent | Commentaires (16) | Envoyer cette note | Tags : ZWAM, 1972, Antananarivo