11 décembre 2009
Ny fahaleovantena
Dia mitohy ny resaka. Tsy hoe nandalina manokana akory fa mba nijery ( sy nojerena), nihaino ( sy nohainoana), niresaka (sy noresahana) ary namaky ( fa tsy nanoratra kosa anefa ), dia izay hitako sy tsapako no resahako. Ireo rehetra manana blaogy angamba dia samy hiaiky fa isan’ny fikarohana betsaka ataon’ny gasy mampiasa internet ny mikasika ny firaisana ara-nofo, saingy ny tsapako dia tsy ny lafiny maha-firaisana azy akory no mahaliana fa ny toetra “vetaveta” ananany ( ie, fa tamin’ny volana febroary ka hatramin’ny may-jiona teo dia nosongonan’ny hoe “Andry Rajoelina” ny teny karoka hoe “fory gasy”, ka raha izay lafiny izay aloha dia nahomby ny tolona !!!)

Ny maha olombelona ny mahatonga izany, tsy laviko. Fa raha ny teny karoka hitako amin’ny blaogiko, raha ny tafatafa vakiana anaty tranonkala, sy ireo resa-be heno etsy sy eroa, ary ny vaovao mahatsiravina an-gazety dia efa ahitana taratra ny fiheveranan’ny olona ny hoe “firaisana” : porofon-kery sy tanjaka. Raha nandeha nanao reportage tany Nosy Be aho dia variana fotsiny naheno fa heverin’ny tovovavy any ho mariky ny “fahazai-miray” ny fazahoana aretin’ny taovam-pananahana satria ho azy dia porofo izany fa “efa nahita fiainana” izy no sady tsy mametraka olana amin’ny tsy fampiasana fimailo: “mahery” izy !!! Dia mbola variana ihany koa aho raha nambaran’ny dokotera avy any Morondava fa heverin’ny tovovavy any an-toerana ho ny tsy fikasihana mihitsy ny fivaviana no maha virijiny, sy ny hoe raha any aoriana no miray dia ho voaaro amin’ny areti-mifindra izy satria tsy ny taovam-pananahany no nampiasainy, no sady manome toky amin’ny lehilahy izy fa vehivavy “tsy mitsingintsingina”: “mahery” izy izany e! Dia gaga be aho naheno namako vehivavy izay kiriko be tamin'ny tenany hono satria nahavita zavatra tsy tiany hatao mba hanaporofoana amin'ny olo-tiany fa...tia izy (F'angaha hoa tsy vitan'ny manendy ovy na trondro izany zavatra izany, tonga izy dia tezitra dia nopihany ny finday, dia tsy mahasahy miantso intsony za hahahaha... Koa raha sery vitan'anamalao kosa ve ??? lol )
Fa izany koa anefa dia nohon’ny fiheveran-diso ifandovàna momba ny firaisana. Ny fanontaniako dia hoe : aiza amin’ny fiarahan’olon-droa no ametrahana ny firaisana ? Maninona no raisina ho singa enti-manohatra ny tena amin’ny hafa ny firaisana??? Maninona ny tsy heverina ho mihatra amin’ny tena ( fa tsy amin’ny politika ihany) ny hoe “fahaleovantena” ka izay eken’ny saina sy zakan’ny hery, no tsy manivaiva ny fiheverana ny maha izy sy maha izany ny tena ( izay ekena koa fa subjectifs tanteraka ) no atao amin’ny vatana ary miaiky fa herisetra sy hasomparana, ny ankoatr’izay , na dia fanerena ara-tsaina aza ??? Fahaleovan-tena ve ny mandray ho porofon-kery ny firaisana tsy voaaro ka manao sorona ny tena mba hampihaiky volana ny hafa, fahaleovan-tena ihany koa ve ny finiavana te hanaporofo fa fa mahatantareka izay filàna rehetra ? Fahaleovan-tena ve ny mahavita zavatra mahatsiravina ny tena mba hanehoana fitiavana? Tsy haiko. Fa tsy tongatonga ho azy tao an-tsaina ireo olona ireo izany raha tsy nisy olona, na fiaraha-monina, nanitsoka izany tao an’eritreriny.
Maninona moa no terena ho “porofon-javatra” ny filàna ara-nofo ( na porofom-pitiavana aza izany, satria misy tsinona ny filàna tsy misy fitiavana, toy ny fitiavana tsy misy filàna, andao tsy hihatsara ivelan-tsihy! ) fa tsy hoe "safidin’olo-mahaleo, vory saina, hary vatana."
Izany koa no tsy dia hitiavako loatra ity filaza hoe “ny fihazonana ny maha virijiny no fanomezana tsara indrindra ho an’ny vady” (Dia maninona moa no tsy maintsy hanao fanomezana ? K'efa ny andronao mandrapaha-fatinao be izao no hozarainao aminy daholo, iza eto an-tany no hanana an'izany ??? lol ) satria fambolena fanamelohan-tena izany amiko no fanitsahana ny fahaleovan-tenan'olona ( Sa manana effet rétroactif ny fanambadiana ka na mbola tsy vadinao, na tsy fantatrao koa ary izay ho vadinao dia efa fehezinao ho azy sahady ny tenanao ??? ) Ary ahoana moa raha 70 taona ianao ramose, ramatoa, vao hahita ny andefimandrinao? ary raha tsy ahita azy mihitsy koa anefa??? Ary raha virijiny ianao, ramatoa, ramose, fa izay ihany ? – vierge et conne, par exemple ??? Il gagne une pucelle et se tape une idiote ??? - … Sa ve hoe, inty amin’izay aho, ankizivavin’ny tompo, ataovy amiko izay tianao ???
Ary raha raisina fotsiny ho safidy ny firaisana : tsy porofom-pahaizana mampiasa vatana na porofom-pahaizana mamaly ny filan'ny hafa, na tanjaka, na fahalalahan-tsaina, tsy adidy koa ary tsy ho andraikitra mihitsy. Misy zava-masina ohatry ny safidy ve? ( fa tsy hoe devoarako, na hoe ianao no fiononako, na hoe efa nekeko imason'ny lalàna sy ny eglizy ianao, ( ka dia akory atao fa izay zany ????? )...Raha izany no lazainy aminao dia tonga dia piho ny jiro dia atovy hoe "amin'ny manaraka fa marary an-doha zà, non mais !!!")
Fa na izaho na ianareo samy mahita fa ny olon-kendry ihany no mahatsapa ny fefy mampisaraka ny fahaleovan-tena, ny fahaloavan-tena sy ny fahalavoan-tena. Comme quoi, le sexe a un cerveau... lol
Resaka ka mba atao...
11:29 Ecrit par Mialy dans Aaaaahhh. Ahhhh. Oui.. | Lien permanent | Commentaires (5) | Envoyer cette note
08 décembre 2009
Kama sutra
Tsy asian-teny firy foana ny firaisana ara-nofo satria lazaina fa tsy mahatanty resaka mivantambatana hono ny Gasy, ary lohahevitra mamoa fady sy tsy mba maontina hono izany ka tsy famboraka imason’olona.

Vokany : heverina ho zava-dratsy sy marikoriko foana ny firaisana ara-nofo sy ny filàn’ny vatana, hany ka rehefa hanompa olona ohatra dia mazàna ny faritry ny fivaviana na ny filahiana foana no tonontononina voalohany.
Vokany izay mahavariana ihany koa : rehefa sendra tafaresaka mikasika ny firaisana ara-nofo ny samy mpinamana, na vavy na lahy, dia saika nomena endriny habibiana na haratsiana foana izany. Ohatra : « Kepoka be fotsiny », « Nopehan’ialahy ve ? », « Maty kapoka mihitsy ! », « Iny ve tsy hohanin’ialahy fotsiny », « Vitan-dry ve ? »… Raha tsy izay indray, dia afenina anaty kisarinteny malalaka be ny mikasika ny firaisana ara-nofo. Ohatra hoe : « manao », « mananona », ary rehefa hilaza ny fivaviana na filahiana dia atao hoe… « Ny ahy ».
Amiko manokana dia efa porofon’ny tsy fahaizana manao firaisana ara-nofo fotsiny izao izany : raha tena mahay mizara fy izy, tsy tokony hahita fifanoheran-kery na fanjakazakana – raha tsy hoe nofinofy miafina izay ifanarahan’izy roa izany -, ary mahavariana ahy raha ny zava-tsoa ifampizarana toy izany no tsy vita akory ny manonona ny anarany sy ny fombany. Sahala amin’ny hoe an-kenatra sy an-tery no nifankatiavana sy niraisana ka zara aza nihidy tao anaty trano maizimaizina tao fa ota manala baraka tsy fanaon’ny olombelona ity niaraha-nanao… Poizina !!!
Nandika tamin’ny teny gasy ny kama sutra izahay efatra mianadahy mpinamana, tsy hoe ny fomba rehetra izany fa singatsingany amin’izay tena tian’ny tsirairay. Samy nisafidy iray amin’ny fomba samihafa hita ao anaty kama sutra izahay (Tao anatin’ny doctissimo.fr no nahitanay azy) toy ny hoe « Ireo sotrokely », na koa « Ilay voninkazo mikombona « , « Ilay fitoeram-boahangy », « Ireo mpivoy lakana », na koa ( ary ity dia tena mahatapaka ny tsinaiko satria hitako fa tena nikaondoha mihitsy izay nieritreritra azy mba hanomezana fomba firaisana faran’izay sarotra sy manapa-taolana indrindra ) « Ilay tantanana mameta-pantsika »
Andro hafa miresaka an’izany fa mbola marary an-doha amin’ny politika aho, mahantra ery izany fireneko e ?
22:05 Ecrit par Mialy dans Aaaaahhh. Ahhhh. Oui.. | Lien permanent | Commentaires (9) | Envoyer cette note
02 décembre 2009
40 cm de banane…
Poulet DG, du Cameroun
( akondro amam-borona hahaha)
Pour quatre personnes : 20 minutes de préparation, 40 minutes de cuisson.
Ingrédients :
1 poulet
Cinq bananes plantain appelées loko au Cameroun.
Quatre carottes
Un livre de haricots verts
Du thym
Une gousse d’ail
Deux oignons
Sel, poivre et deux cuillères à soupe d’huile.

Poulet découpé en morceaux, les carottes en rondelles, les oignons émincés, les haricots verts équeutés. Dans une marmite, faire revenir les oignons dans l’huile et ajouter les morceaux de poulet, à dorer. Salez, poivrez, ajoutez le thym, l’ail et les légumes apprêtés. Un peu d’eau et laisser mitonner. Faire frire les bananes plantains coupés en rondelles. Une fois le poulet cuit, versez les bananes, bien mélanger et servir. Faire attention à la présentation du plat, la banane, tout plantain qu’elle est, peut avoir un aspect peu ragoûtant…( ohatra hoe io sary io. Fa ny fakàko an'ilay sary koa tsy dia mamely fa bof... )
La banane plantain, selon mes recherches – oui, je l’admets, j’ai fais des recherches sur les bananes… c'est un tic, sous les bananiers de la République -- est un hybride de plusieurs espèces de bananes. Elle est aussi parfois appellée banane cochon ou banane poingo. J’ai découvert que le plantain est une longue banane, un peu spectaculaire à mon goût – déjà, je suis horrifiée de l’énormité des beignets de bananes de Fianarantsoa : tsy tapahany ilay akondro fa tonga dia ilay ngeza be iny no andrahoany dia sahirana be ianao mitazona an’ilay izy satria tena lava be ilay mofo akondro no ngeza be… -- alors, 40 cm de plantain… Mais ce faux fruit est couramment cuisiné en Afrique. Sur le coup, le premier plat, j’ai aimé. Mais je n’en mangerais pas tous les jours, je n’en raffole pas tant que ça, mes papilles sont juste très curieuses. L’association banane et poulet me laisse perplexe, je l’avoue.
Bonjour aux amis du Yaoundé, de Douala, de Libreville, de N'Djamena, de Bujumbura, de Bangui, de Moroni et d'ici. :)))
11:13 Ecrit par Mialy | Lien permanent | Commentaires (9) | Envoyer cette note