17 mars 2009

Madagascar

Tongasoa ao amin'ny fanjakany i Baroa...

larmes1.gif


( Novaiko ilay sary fa mahakamo be hono hihihii. Ity sexy tsara ary eee)


Tsy nahatana ny toky nifanomezany tamin’ireo nifidy azy ny filoha Ravalomanana. Tsy niodina araka izay tokony ho izy ny firenena ary fahotana niaraha-nanao izany. Betsaka ny zavatra tsy nety, tsy azo ekena, tsy azo leferina.

Kanefa…

  • Izao ve no « fahafahana » nokatsahana ?
  • Izao ve no « fahalalahana » ?
  • Tadiavina amin’ny jadona ve ny demokrasia ?
  • Fitondran’olom-bitsy ve no nitolomana ?
  • Tena olona azo hitokisana ve i Andry Rajoelina ?  ( Mba eritrereto tsara ny valin’io fanontaniana io, azafady, ary aza sodoka amin’ny hoe « olo-manga » e, « mahery fo »e, fa izany ihany no nahavoa fito taona lasa izay. Ny adalàna mantsy toy ny hasoavana, zarain’ny natiora samy hanana ny anjarany. )



Kanefa koa…

  • Lazaina hatrany fa tokony hevitra no fidiana, fa tsy olona. Fidio ny hevitra izay eken’ny saina fa  jereo hatrany anefa ny olona manoloana. Iza izy ? Inona no lalana nodiaviny ? Iza no akaiky azy ? Iza no manolo-tsaina azy ? Fa maninona no izy ? Fa maninona no io no heviny ? Aza jerena an-jambany fa ny adalàna mantsy toy ny hasoavana..etsetra etsetra…
  • Aza heverina ho toy ny mesia, mpamonjy sy mpanafaka izay rehetra tonga fa tsy misy izany. Tsy lahasan’andriamanitra kely, na olo-masina ny manompo tanindrazana fa fiezahan’ny olom-pirenena, izaho, ianao, isika. Tadidio izany ary hevero isan’andro fa mora loatra ny miampanga kanefa ny hadisoana dia niaraha-nanao. Ny adalàna mantsy…etsetra etsetra…
  • Ny vahoaka no tompon’ny fahefana izay omeny amin’ny alalan’ny latsa-bato fa tsy rombahin’ny lalana (* atsy ambany jereo).Izay olona azonao itokisana sy manan-kevitra matotra no fidio, ary harovy ny safidinao, fantaro izay inoanao ho marina sy mendrika ary isan’andro dia izany no ataovy laharam-pahamehana. Mba tsy hisy olona avy atsy na avy ery hamory vahoaka ka hilaza tena fa "mpitondra ny teninao".


Kanefa ihany…

  • Aza variana mihaino habobo sy izay « lainga masina » rehetra. Mora ny mikabary sy manao be am-bava. Tsy misy mora ohatran’ny miteny hoe « Tonga ny fahafahana, tonga ny fanavaozana », ary isao ange hoe impiry tao anatin’ny 40 taona no henonao izany ??? Fa sokafy tsara ny maso dia jereo tsara izay tokony ho jerena. Tsy mifankaiza amin’ny firenena mahantra aty Afrika i Madagasikara : resa-bola no ao ambadiky ny adim-pahefana ao aminy. ( Aza mody kiriko eo ranona a, fa izao ve vao tsapanareo koa izany a ! )
  • Tsy ny androany ihany no tena ilana famahana olana. Ny amin’ny ampitso koa, ny amin’ny afaka dimy, folo, roapolo taona koa. Ny marina tsy azo hiodivirana dia mahantra mpitarika i Madagasikara, sarotra hitokisana ny mpanao politika malagasy, mangina ( tsy fidiny ?) na tsy henoina ny avara-pianarana, tsy manao ny asany izay tokony hanao izany, anjorom-bala hatrany ny fiaraha-monim-pirenena ary ambany loatra ny tahan’ny fahavitam-pianarana hany ka ambany dia ambany koa ny ady hevitra ( Aza mihivingivim-paty eo ranona a, fa tsy ‘nareo ve no henoko nihantsihantsy olona ohatran’ny adala a ! Sa ve hoe "famosahan-kevitra"?)
  • Hanontany anao, hanontany ahy ny Tantara, ka sao indray hilaza hoe « Tsy izaho fa ianona, tsy izaho fa ianona ». Misafidy : na miasa na matory. Fa tsy matory aman-taonany dia avy eo mody hoe « Efa tenenina foana fa eee ». Taiza izay niteny teo, fa mpiray tsikombakomba daholo ? Ntsss !


Kanefa hatrany…

  • Halako re ny fanangaroana tsy am-piheverana ny politika sy ny resa-pivavahana a. Na tamin’ny 2002, na izay nitranga androany dia samy mahatsiravina ahy. Asio mpiandry, asio fanalana devoly e… Ka raha mba asiana ati-doha naninona ?
  • Ry dada sy neny, aza avela hanao be di-doha ohatran’i Mialy s’en fout ny zanakao. Tereo hifoha haingana ny olom-banona ao aminy, mba tsy ho fikana jiolahim-boto mirefarefa amin’ny tany toy izao foana no hiveloman’ity firenena ity.
  • Manana hadisoam-bevava koa ny mpampiely vaovao. Ilaina, raha izaho no miteny, ny fisian'ny "journalisme engagé". Fa tsy hitako teto izany tao anatin'ny roa volana. Tsy malahelo aho, tsy tezitra akory. Satria fantatro koa fa ny adalàna toy ny hasoavana...etsetra..etsetra...Fa diso aho, diso tanteraka, tsy manana fialan-tsiny na iray aza satria matoa ireny no mitranga dia satria tsy nandray izay tandrifiko aho, sy izay rehetra tokony nanao izany.  Ny adalàna, toy ny hasoavana...etsetra..etsetra..


* : Misy zava-dehibe tokony horesahana mikasika ny atao hoe "Fifidianana marina" eto amintsika, raha namaky an'i Père Sylvain Urfer ianareo. Fa, fa, fa, efa be loatra ny resa-be dia andro hafa manohy...Tiako tenenina hoe nisy hadisoana ( hadisoako, hadisoantsika) hatramin'ny 2002 nankaty ka tarazo enti-miaina izany. Fa, fa, fa, hoy aho..Leo be za dia amin'ny manaraka indray.

PS : Tout ce que je raconte est contestable. 'Za tsy mesia, tsy andriamanitra, tsy mitondra ny fahafahana.






Commentaires

Les états généraux de la démocratie sont présentés ce mercredi à 10h au Motel, Anosy. Au cas où ça vous intéresse.

Ecrit par : Mialy s'en fout | 17 mars 2009

Répondre à ce commentaire

héhéhé, l'opposition arrive!!!

Ecrit par : Scott | 17 mars 2009

Répondre à ce commentaire

ay v pomaso Mialy n maha maso ilan fotsin an le sary kely e! Mamangy @ fahoriana n @ retraretra e!

Ecrit par : mj | 18 mars 2009

Répondre à ce commentaire

j'écris en français mais je te remercie d'écrire en malgache !

Le pire est à craindre mais comme je l'ai posté un peu partout aujourd'hui, il faut se dire qu'il va y avoir du changement et qu'il va falloir se mobiliser autrement que par la Rue ! Tu le fais déjà très bien avec ton blog ! Continue !

Internet a joué un rôle fondamental dans cette crise. Nous avons réalisé qu'il pouvait être plus qu'un outil de divertissement, des réseaux se créent, des initiatives germent alors il ne faut pas s'arrêter parce que la Démocratie n'est pas là ! Il faut tout faire pour qu'elle revienne !

Les risques de dérive sont grands restons vigilants ! mais si on doit se battre pour la démocratie trouvons d'autres armes que celles de TGV, participons à l'Education citoyenne de nos compatriotes !

Tu sais au bureau, j'ai du supplier pour avoir des candidats aux Elections des délégués du personnel ... Tu trouves ca normal ? Je crois que c'est une attitude générale ... On ne voit pas l'intérêt d'un porte-parole ! On ne prend pas en compte l'importance du Droit de vote ... Il y a du pain sur la planche, ce n'est pas une question d'argent mais une question de temps donné aux autres !

allez ! Haut les coeurs !

Ecrit par : Mia | 18 mars 2009

Répondre à ce commentaire

oh! démocratie quand tu nous tient......................

Ecrit par : sipagasy | 18 mars 2009

Répondre à ce commentaire

Mampatahotra be ilay sary Mialy a....

Ecrit par : guest | 18 mars 2009

Répondre à ce commentaire

diiiin mpaka tahaka be !
izaho izao saika hanao post hoe "lasa i nampoina tonga i baroa"
oainna beeee aho

"na miasa na matory" : alternative simpliste, pendant qu'on travaille on ne dort pas et on ne fait pas de la politique... malgache de surcroît. karazana record du monde higagana moa isika malagasy @ io lafiny io.

Ecrit par : Rajiosy | 18 mars 2009

Répondre à ce commentaire

hatramin'ny frantsay aza nampiasa "fikana jiolahim-boto" knou
sao dia efa tafiditra @ fahalovana ragasy ka ireo hany hendry kay no tsy adala indrindra @ adala
ny any Haïti angamba no tena manakaikaiky ny fisainantsika

Ecrit par : Rajiosy | 18 mars 2009

Répondre à ce commentaire

Zah tsy nahatsiaro diso. Efa t@ 2001 aho no nampitandrina. Tsy ampy angamba ny nolazaiko ? Sa ny olona no nanampin-tsofina ? Ary mbola manohy manampin-tsofina ! Tsy mesia Ra8 ary Andry tsy Jodasy. Olombelona daholo isika. Mety ho diso. Ny zava-dehibe dia ny manaiky hoe diso aho t@ iny. Ary ny Malagasy koa aoka izay ny fitenenana hoe milay. Raha milay isika efa taibe. Vendrana isika matoa mbola mirefarefa @ tany oh izao. Miaike hoe vendrana daholo isika dia @ izay manomboka miha-milay. Mba sun above...

Ecrit par : Randy Donny | 18 mars 2009

Répondre à ce commentaire

andé soloiko lé sary fa kiriko be nareo hahahahaha.
'za aloha dia miaiky fa vendrana be daholo isika e. Raha zavatra abérrant be ohatran'izao no possible, c'est qu'on l'est tous, mais à fond. Sady faly ao anatiny, comme un homme qui renifle son pet. :)))

Ecrit par : Mialy s'en fout | 18 mars 2009

Répondre à ce commentaire

Leity e, Rajiosy a, sarinteny io!!! énao an!!!
Nisy fotoana nahatsiarovako an'ise tamin'ireny hotakotaka be ireny fa ohatran'ny mahita olona miteny foana hoe "C'est n'importe quoi, ça" :)))

Ecrit par : Mialy s'en fout | 18 mars 2009

Répondre à ce commentaire

bon sang. un pustchiste est au pouvoir, et on a le culot d'appeler ça une démocratie ( quoi que, on aurait pu dire ça aussi en 2002, hein)
Dia tankina tsy mahateny ( tsy misy hanky va re tsony) manoloana izao famingavingana firenena izao e. Ny tena milay dia ity, taloha "olon-dehibe" no manao politika dia "manahirana" ny mamerina azy amin'ny toerany. Maintenant c'est un gars de ma génération ou presque, tairo amizay fa zay voa manodidina :)))

sérieusement, tena kivy a e, sady matin'ny henatra. Nisy zavatra natao sy noeritreretina t@ ireny 2002 ireny, izao vao tena tsapako ny tsy fihetezany. Miaiky fa diso aho tamin'ireny fa mba sun above raha mba hamerina intsony. Izany no antony mampivazavaza, fa lasan'i Baroa ny masina indrindra izay mba hany fananako, izay mba ho lovan-janako. Ny zanako izay tsy ny mesia :)))

Ecrit par : Mialy s'en fout | 18 mars 2009

Répondre à ce commentaire

randy donny m'a offert un cours "comment libérez votre force intérieure" Merci toi que j'aime, mais ça s'ouvre po. Et ton cadeau, et ma force intérieure...:)))

Ecrit par : Mialy s'en fout | 18 mars 2009

Répondre à ce commentaire

ny fahitako azy avy aty lavitra be aty dia vao mbola ny 2ème mi-temps-n'ny jiolahim-boto eny an-dalambe izay no vita fa ny 3ème mi-temps-n'ny jiolahim-boto mipalitao tafajanona vao manomboka.
ary sao dia tsy vendrana ny gasy fa samy fetsyp sy kn'alika kely fotsiny ihany ??? :-)

Ecrit par : Rajiosy | 18 mars 2009

Répondre à ce commentaire

tssss, aleoko horreur toy izay sexy!! F zan hoe Mialy s'en fout mo ka in n azoko atao!
"Na izaho na ianao samy tsy nahatana ny dina natao". Tapaka n tsinaiko namaky an'i Mialy mamofona ED Andriamalala! Milay beuh! Sauf ke asainao mifanaNtona le ol a! Aleo mifanatona toy izay mifanaNtona fa betsaka am zany eo n maty! N mifampitifitra aza efa ts hita z anaovana az!

Ecrit par : mj | 18 mars 2009

Répondre à ce commentaire

hahahahaha, k'efa niteny a hoe tsy talentako ny tsipelina. Za ange mpamaky ED A e, gaga eo ianao, attends, j'ai l'air folle comme ça mais je lis ED A( hihihii, sahala amin'ny hoe matahotra be za sao dia heverin'ny olona hoe blonde )

Ecrit par : Mialy s'en fout | 18 mars 2009

Répondre à ce commentaire

Oaaai le anona â !! Tsy i Mialy mihintsy no noheveriko hiteny hoe Sun above... Ny an'i Rajiosy moa tsy sahiko adika akory !!!

Sao dia tsy isika no tonga eny amin'i Baroa, fa i Baroa no tonga eto amintsika ?

Ilay mahita ireo niteny hoe "Ento miakatra ity firenena ity" miverina ao @ ny 13 mai aloha no tena mampiteny ratsy e !!! #@!!^%`£ !!! /?@#=§ñ !!!!
Aok' izay le Bary fa manajà tena â !!

Ecrit par : barijaona | 19 mars 2009

Répondre à ce commentaire

fa tsy azoko hoe manin izy no hanao investiture?

Ecrit par : ianja | 19 mars 2009

Répondre à ce commentaire

tsy jodasy face à Ravalomanana i Rajoelina. Fa Jodasy face à la démocratie. Il veut instaurer une démocratie et c'est comme ça qu'il agit? c'est une honte.

mialy, raha vao mifanantona ny olona dia on joue aux pendus lol

Ecrit par : Il y a judas et judas | 19 mars 2009

Répondre à ce commentaire

Tenenina foana fa eeeeeeeeeee! lol

@ manaraka indray manarina e! raha mbola misy azo arenina

Ecrit par : news2dago | 19 mars 2009

Répondre à ce commentaire

msft : tena tonga saina tampoka aho hoe tsy tokony ho tairina @ izay ve ilay fandikana an'i ED Andriamalala @ teny faran'ny tsy hay ? misy mahatadidy ve hoe iza ilay niresaka momba ny licence creative commons t@ andro taloha elabe, asa t@ desambra/novambra 2008 izy iny ?

Ecrit par : Rajiosy | 19 mars 2009

Répondre à ce commentaire

avereno ilay poa-maso iny fa iny mahatsiravina mihitsy ilay zavatra !
goa naho ty kepeke

Ecrit par : Rajiosy | 19 mars 2009

Répondre à ce commentaire

Mia a dit "Tu sais au bureau, j'ai du supplier pour avoir des candidats aux Elections des délégués du personnel ..."

Mialy s'en fout est déléguée du personnel de sa boîte!!!

Ecrit par : Ianja | 19 mars 2009

Répondre à ce commentaire

dia tantarao eto daholo ny ambadiky ny fiainanana ranona aaaa :))
teto ve isika no niresaka an'izany licence creative commons zany Rajiosy ?

Ecrit par : Mialy s'en fout | 19 mars 2009

Répondre à ce commentaire

tsy tato angamba fa tany ananonanona tany

Ecrit par : Rajiosy | 19 mars 2009

Répondre à ce commentaire

@ianja : ca m'étonne pas que Lialy s'en fout soit déléguée du personnel ! Il en faudrait d'autres pour qu'on puisse se dire ON a les moyens de s'exprimer

Ecrit par : Mia | 24 mars 2009

Répondre à ce commentaire

Ecrire un commentaire