25 février 2009
'Zay tianareo ranona a!
« Maika sady manan-danja. Manan-danja fa tsy maika. Maika fa tsy manan-danja. Sady tsy maika, no tsy manan-danja ». Toy izany no fisokajian’ireo manana andraikitra sy mpifehy raharaha ny laharam-pahamehany. Fomba tsotra, mora atao ary mitondra vokany. Kanefa tsy voatery arahana foana. Ohatra fotsiny, ao anatin’ity tany malemin’ny krizy ity, dia tsy dia mampiraika firy izany fomba fisaina izany. Satria angamba, rehefa tojo toe-javatra toy izao, dia ny fieboeboana, ny fampandriana adrisa na koa ny tahotra ( izany ve ???) no ambony noho ny laharam-pahamehana rehetra.
Raha tsy tonga nanatrika ny fifampiresahana eo aminy sy Andry Rajoelina ny filoha Ravalomanana, izany ve tsy midika fa sady « tsy maika no tsy manan-danja » ho azy ny dinika ? Sa kosa tetikady politika avo lenta izay tsy ho tratry ny sainay olombelona ny azy ? Fa ny vokany aloha dia iray ihany : tapaka ny resaka, ary tsy ahitam-baliny ireo fanontaniana lehibe. Ntsss…
Sady mahavariana no mampieritreritra ( maha ratsy loha mantsy e) ny fikorosofahan’ny tantara. Rehefa nandia fitokonana tao anaty herinandro maro, rehefa nisedra herisetra sy vono olona tsy roa aman-tany, dia izao indray fa tojo olana goavana sy mampatahotra. Kanefa…mety misy angamba any ho any « olon-kafa » mahita rirany amin’izao toe-javatra izao ? Ahoana moa no inoako fa tsy hisy ao ambadika ao tombotsoa tena manokana ary tsy maintsy arovana ( tsy maintsy arovany) matoa mahasahy mifono lamba mena ? Mety tsy tokony hipetraka izany fanahiako izany, enga anie. Kanefa apetrako ihany satria raha ny fivadihan’ny tantara sy ny zava-dratsy niseho tao anatin’ny herinandro vitsivitsy, dia azoko antoka koa fa tsy dia misy intsony ny finiavana hanatsara zavatra…
Eny e, hilaza koa angamba ny mpiara-dalàna amin’ny filoha Ravalomanana fa tena nisy ny « antony tsy afa-nihoarana » ka nahatonga azy tsy hanatrika ny dinika. Ary enga anie ho azy ireo, raha mbola tiany koa ny hihazonany ny ambim-pitokisana hany sisa voatanany, ka tena goavam-be izany antony izany. Lehibe mihoatra lavitra noho ny hoavin’ny firenena, noho ny fandriampahalemana, noho ny fiahiana ny olona sy ny fananany, ary ambony noho ny haja aman-kasin’ny tanindrazana izay efa milaza ho mpandala fihavanana. Raha tsy izany dia fanaovana tsinontsinona sy bodongerina ihany izany.
Izahay moa ve, izahay mpanonofy, mpanantena volamena, tsy hino foana ihany fa mbola afa-mitsangana amin’ny alalan’ny hevitry ny olony ity firenenay ity. Izahay ve tsy mbola hino fa hisy ihany, indray andro any, fanjakana tsy voahozongozona fahatany Izahay koa ve tsy hino fa misy ny lalàna mifehy antsika rehetra na, maninona moa, misy ny fomba madio handaminana ny fifanorehana. Ary na dia izao aza, dia mbola tsy manan-ko lazaina ankoatran’ny antso ho an’ny fahatoniana sy ny fifanantonana izahay. Kanefa indrisy fa na dia izany fotsiny aza, dia toa tsy ho vita akory. Ka dia akory moa, fa …izay tianareo ranona a... ( leo sady Ssp koa za fa zay zany ;)))

21:55 Ecrit par Mialy dans A dormir debout | Lien permanent | Commentaires (24) | Envoyer cette note
Commentaires
Ecrit par : klem | 26 février 2009
Répondre à ce commentaireEcrit par : Mialy s'en fout | 26 février 2009
Répondre à ce commentaireEcrit par : ianja | 26 février 2009
Répondre à ce commentaireEcrit par : Randy Donny | 26 février 2009
Répondre à ce commentairekay v nareo ranona tsy manadino anay e...
kay ve tsy mba nanao DJ mihintsy i Andry Rajoelina e? Bon sang, ce que ça change tout...
za aloha dia nanatrika ( sady natrehana hum hum hum) soa amantsara tamin'izao alim-pandihizana nokarakarainy izao, ka dia raha afaka adalàna tamin'ireny, nidiran'angano ( sy arira) aho ity. :))) donc: nota bene ( pour moi-même ) : DJ : disk jockey qui fait de la musique dans une soirée. Organisateur : celui qui organise la soirée. La différence : je suis dans la merde quand même hihihihii
bisou (de famille?) mon cher Randy(ouille) :)))
Ecrit par : Mialy s'en fout | 26 février 2009
Répondre à ce commentairena hoe :
mon cher randyouille
Je te fais des papouillles
Ecrit par : ianja | 26 février 2009
Répondre à ce commentaireEcrit par : Mialy s'en fout | 26 février 2009
Répondre à ce commentairera8 s'en fout
tgv s'en fout
rjs s'en fout
dia samy ssp daholo
dia mnmn daholo, sa ?
tsy misy iray manavotra ny iray
Ecrit par : Rajiosy | 26 février 2009
Répondre à ce commentaireEcrit par : Rajiosy | 26 février 2009
Répondre à ce commentaireEcrit par : Mialy s'en fout | 26 février 2009
Répondre à ce commentaireEcrit par : Anna | 26 février 2009
Répondre à ce commentaireFa hono hoa ry Mialy - arako le blem taorian'ilay article majorité mangina - fa angaha tena niakatra tany @ pra kle ?!!! tax koa zany sagapo !!!
rajiosy : on dit manger sa brède douce...
Ecrit par : ikalamako | 27 février 2009
Répondre à ce commentaireEcrit par : Anna | 27 février 2009
Répondre à ce commentaireEcrit par : Ianja | 27 février 2009
Répondre à ce commentaireEcrit par : klem | 27 février 2009
Répondre à ce commentaireSao maloto re ny vavanao? Misy bib va ao anatinao?
Ecrit par : barilou | 05 mars 2009
Répondre à ce commentairedis donc, quel scoop. on a trouvé ça tout seul? :)))
Ecrit par : Ianja | 05 mars 2009
Répondre à ce commentaireLes qualificatifs ne suffiront pas pour vous feliciter de cet - une fois de plus - excellent edito que vous nous avez pondu ce 12 mars 2009. Encore un edito intelligent, lucide, bien ecrit bien sur, mais surtout evident. Autant de clairvoyance chez une aussi jeune personne cela ferait presque peur. Mais c'est surtout un formidable espoir pour ce pays qui, je persiste a le croire, a l'esperer, se tiendra toujours debout. Contre les vents et les marees qui l'entourent.
Ecrit par : Rondro | 12 mars 2009
Répondre à ce commentaireVotre sérenissime,
Vous me voyez flattée de ce jet de fleurs qui met du beaume au coeur. Mais quand vous me dites que c'est "édito est évident", je meurs de honte car cela signifiant qu'encore une fois, je n'ai donc pas découvert le fil à couper le beurre... ;)))))))))))
Ecrit par : Mialy s'en fout | 12 mars 2009
Répondre à ce commentaireAllez A+. Je retombe en depression.
Ecrit par : Rondro | 12 mars 2009
Répondre à ce commentaireHanky va re, hoy Ranavalomanjaka :))))))
Tena nasianao mafy kosa i Lalatianan'i Viva lé.
Ecrit par : klem | 12 mars 2009
Répondre à ce commentaireEcrit par : Ianja | 13 mars 2009
Répondre à ce commentaireSylla-ka be razoky. :)))
Ecrit par : klem | 15 mars 2009
Répondre à ce commentaireEcrit par : Mialy s'en fout | 16 mars 2009
Répondre à ce commentaireEcrire un commentaire