04 septembre 2008

Mitady ny tsy misy aho…

Tsy mitady olona manankarena aho, satria haiko ny mitady vola irery.
Tsy mitady olona hovadiana aho, satria tsy inoako akory
…ny hasin’ny fanambadiana.
Tsy mitady olona tsy mba mifoka sy tsy misotro aho,
satria ilaina koa ny mirevy indraindray.
Tsy mitady olona tsy mba miodina mihintsy aho : fantatro fa malemy ny nofo, indraindray. Ary soa ihany fa malemy ny nofo, satria raha ny toetra ratsiko irery dia tsy mba mendrika ny hitiavany ahy akory… (tsy manakivy aho fa haiko ihany ny lafiratsin’ny lohako)
Tsy mitady olona hampijaliana aho, satria ….
efa talentan’ny fiainana izany !
Tsy mitady anjely aho : izaho aza demony !
Olona hotiavina dia ampy, ary manam-po sy fotoana hitiavana ahy koa. Na tsy ny fiainana manontolo aza. Fa tsy iray segondra koa anefa.
Olona tsy mieritretitra ny hanataka, na dia tsy mba misy ho tatahana aza aty amiko. Izaho rahateo koa tsy hanataka, fa fomban’ny tsy manan-kambo izany.
Olona tsy vadin'ianona ary tsy hampirafy "loatra".
Ary raha hampirafy aza dia hitandrina foana izay tsy hanafintohina, satria efa tsy manakana azy tsy hiodina rahateo aho.
Izaho anefa tsy mampirafy, tsy hoe i Maria Virijiny na koa fanaperana fa…misy fetrany ny fasahiako.
Olona hisaina ny alaheloko rehefa hilaozany aho, ka hitady fomba mendrika sy mihaja mba handaozana ahy
( vonoiko itena raha manao fialan’ny jiosy)
Olona tsy hiteny hoe « ok, milay zany » raha holazaiko fa « tiako ».
Ary tsy hanery ahy hiteny hoe « tiako » koa vao hahatsapa izany...
Olona mahaleo tena, salama saina. Nefa, aleo mivika kely ihany…  Mananko-lazaina, fa tsy be lazao koa anefa. Olona hiteny amiko ny tiany sy ny tsy tiany fa tsy hiaritra fahatany ohatran'ny tsy manan-katao. Olona mahazaka koa ny hilazako aminy ny tiako sy ny tsy tiako, kanefa hiezaka aho ny hilaza izany am-pahatoniana… Na dia milay kokoa aza ny filazako azy rehefa mandroatra ny foko.
Olona mahay mahandro sakafo, mba tsy ho faty noana izahay roa…
Olona mahalala-tsaina ka tsy ho tezitra na taitra raha manana fantasme aho, satria izaho olombelona.
Olona manana fantasme koa fa tsy vato aman-kazo.
Ary tsy ho menatra hilaza izany amiko. Ary tsy ho tafintohina koa raha hotanterahako izany. Na koa ho laviko.
Olona mahatoky sy afaka hitokiako ka tsy handany andro hifampitsikilo.

Tsy ianao anefa izany raha ratsy be ianao, na mahia kely, na fohy, na banga, na mitondra aretina, indrindra moa ka adala…
Tsy ianao koa izany raha tsy ampy fialamboly ianao, na tsy mahay mampihomehy mihintsy.
Tsy ianao koa raha tsy mahazo blague mihintsy ianao, na koa mahay ny hiran’i Céline Dion tsianjery, na manao slip kangourou…
Tsy ianao koa raha olona tsy manan-kilema ianao, nefa tsy mbola ianao ihany raha olona tsy misy kilema no andrasanao aty amiko.
Tsy ho tafa koa raha mahery setra na fiteny ( fa tafa be kosa anefa raha mahery setra sy fiteny rehefa…)
Na koa lasa adala amin’ny fivavahana…

Tsy ianao mihintsy koa raha ohatra ka avy mamaky an’ity taratasy ity ianao dia sahy hilaza fa « tena mety amiko izany»
Satria raha izany no marina dia mora kely ny manjono anao,
fa blibla dia tafa.
Nefa raha hilaza koa ianao fa " tsy mety amiko izany " na koa hoe "toa mampatahotra kle"…
Dia tsy mbola ianao ihany !
Efa omeko anao ambony vilia volamena ve izao tontolo izao sy ny foko, ary ny fahalalahana  sarobidy aminao ( He zany izy!!!)
dia mbola sahinao ny hiteny amiko fa ... tsy mety ? Tena mba saro-tiavina...

Ary farany, tena tsy hahita rirany mihintsy ianao
raha tsy mahay mila vaniny ohatr’ahy.
Mitady ny tsy misy aho ka mila  voatsihary. Fa mampaninona moa ny manantena? Ny hafa aza, hono, olona « mampaniry elatra » no ilainy… Jeune demoiselle ne recherche plus un mec mortel...

Mon coeur est un enfant de salaud. "Zaza alika" dirait Miss Jones.

Commentaires

toa tsy hita dia hita dia tsy hita ilay billet? za koa te ho tara?

Ecrit par : Klem | 10 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

mifona e. Mifona marina e... Tena asio feony ity fa $otran'ny tsara...

Ecrit par : Bway | 10 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

oiain foana za ninin ato an-tsaiko? tsy rariny... sompatra....

Ecrit par : sompatra | 08 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

Mialy... je t'es envoyé un mail, pour ce billet... Peux-tu me confirmer??? Ou non???? Rainimanonja e...

Ecrit par : mimozette | 05 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

wi mimozette, tsara tsodrano. dia mahità izay tadiavina. :)))) dia mba asehoy hoe rehefa hita???

Ecrit par : Mialy s'en fout | 08 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

TE HANORATRA ZA FA MANINA KOA NY COMMENT NO MANAO CLIGNOTANT BE ÔTRAN'IZAO E???????

Ecrit par : Ianja | 10 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

satria jenjina be t@ lé majuscule mivazavaza be izy... :) En fait, j'ai touché à destrucs et je ne suis pas fichue de remettre les choses à leur place. Ny ora nandefasan-dry ny comment indray no mitondra azy fa tsy ny daty. Blonde de blonde.
Klem: wi, hita dia tsy hita lé billet satria nieritreritra a hoe sao dia trop be le izy... Kanjo kay efa nahasoratra trop no ity ihany aho taloha...

salut daôly fa hatory faramparany a... dia hiaina @ zay !!!

Ecrit par : Mialy s'en fout | 10 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

tu peux voir mon appel sur...moov!!! merci. y a des comments, si tu y vas.

Ecrit par : mimozette | 10 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

Maintenant, je comprends un peu mieux ce que veulent les femmes. Vous auriez du écrire ce texte il y a dix ou quinze ans, vous m'aurez sauvé la face... On en apprend chaque jour, dans ce bas monde.

Ecrit par : en passant | 10 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

il me semble bien avoir lu ce post dans un sujet du forum moov. C'est toi qui l'a écris?

Ecrit par : miserana | 10 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

je l'ai écrit, mon cher miserana, mais "Mimozette" tient absolument à s'en servir pour trouver sa "moitié". j'ose espérer qu'elle s'en sort bien...Avec un plaidoyer pareil, elle risque de tomber sur le premier quidam... Sa ve aventure?? Mazahoa izay iriana e..;)))

Ecrit par : Mialy s'en fout | 10 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

"( vonoiko itena raha manao fialan’ny jiosy)" : fa naninona anareo ny jiosy, kletia e ! :-)
"Tsy ianao koa raha (...) mahay ny hiran’i Céline Dion tsianjery" : fa naninona anareo i Céline kleanna ! :-) sady ilery anie @ izany ka rômantika kely e !
"Efa omeko anao ambony vilia volamena ve izao tontolo izao" : sao dia mba volafotsy no tadiavin'i nedala, fa izy koa anie izany tary tena compliqué e

Ecrit par : Rajiosy | 11 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

Ho tafita ny gasy, fa tonga i Eva vaovao, aiza ianao ry Adama ô?

Ecrit par : Velisoa | 11 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

Chère Mimozette,
Je t'es vue sur le net. Je suis assez morte de rire, c terrible. disons que moov est un peu comme si tu draguais eny an-dalambe...Je plaisante. Je savais bien que j'avais raison, je suis nègresse, je vous prête ma plume au service de vos coeurs, payez-moi, payez-moi de votre bonheur à deux :-)))) Quand je pense qu'autrefois, vady amboarina no atao et que maintenant, ça drague dans un forum...Miova ny fiainana.

Ecrit par : Mialy s'en fout | 11 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

Za koa nahita teo @ moov, hitanao fa mba "nindrana" réplique teny koa aho. Ho tafita ny Gasy ry Eva vaovao... Ary isekely angaha tsy mba hitady izay andefimandry?

Ecrit par : Velisoa | 11 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

Za ve? année ( que dis-je siècle, millénaire) sabbatique. Tsy misy fika. :-)

mais ça fait réflechir, quand même... Internet ve no marieur? ;))) je plaisante. Mahazoa izay tiana kambony.

Ecrit par : Mialy s'en fout | 11 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

c par un intermède assez original que je suis parvenu à ce blog. g répondu à Mimozà et me voici... je lis que l'auteure du texte est en année sabbatique. Et bien...

Ecrit par : Internet | 11 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

miaiky a e. On vit une de ces époques.

Ecrit par : Anna | 11 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

Izaho tena mahita, ary tsy vazivazy fa tena mety amin-dria. Izany hoe eo amin'ilay hoe tsy vadin'ianona angamba no mba solafaka kely i nedala satria toa efa manambady izy, fa ny ankoatr'izay dia tena ity tandiavin-droky ity mihitsy ny profil. Raha liana ianao dia, jereo amin'ity rohy ity ny mombamomba azy. Dia mirary tokantrano sambatra ho anareo roa.

http://is.gd/2wlY

Ecrit par : DotMG | 12 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

Merci à toi, mais je sais encore claquer des doigts. Oh, juste en passant, si j'avais voulu ton avis, je te l'aurais fait savoir. Pas sorcier.

Ecrit par : Mialy s'en fout | 12 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

hé bin, la froideur... tu as peur qu'il te lâche des versets bibliques ( encore) ?

Ecrit par : Anna | 12 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

Je ne suis pas froide. L'humour con ne va à personne, c'est tout.
On peut laisser des versets bibliques, c'est sympa ( j'adore même). Et même des mantras, si tu en connais ( moi, j'en connais pas aloha e). Mais bon... le blibla de "gasy kristianina" kosa aloha, tsy tody eto e...aza manantena akory. :-)))

Ecrit par : Mialy s'en fout | 12 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

"Merci à toi, mais je sais encore claquer des doigts. Oh, juste en passant, si j'avais voulu ton avis, je te l'aurais fait savoir. Pas sorcier."


Aïe aîe aîe zany ve tsy any @ ambavafo lé? Daka tsy hita maso...

@ lé sujet e: ny tena tadiavina foana no tsy mety ange e. Io lazaindry io izao sûr aho fa nofinofin'olona betsaka. Fa izao izy voalazandry dia tsy sahy indray r'zala fa hoe aleo lé modèle vhv mahazatra. Fa raha vao ozy indry ohatra hoe "mivavaka isak'alahady, lava volo, manifinify, sady saron-kenatra", lé archétype e, dia tamy ny olona. Dia avy eo ataony izay ahatonga an-dry ho vhv mitovy @ lé voalazan-dry indray. Les filles c compliqués, mais les hommes aussi...

Ecrit par : gasy band | 12 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

"mivavaka isak'alahady, lava volo, manifinify, sady saron-kenatra"

hahaha, c tout le contraire de Mialy...on n'est pas sorti de l'auberge !!

Ecrit par : Anna | 12 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

raikitra izany ny bandy tsy mpiditra fiangonana sady fohy volo no matavitavy no sahisahy belazao

Ecrit par : Rajiosy | 12 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

Lé mahay manao traduction ireny koa ange tsy dia maninona e!!!

Ecrit par : Mialy s'en fout | 12 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

Nahita izay iriana ihany angamba e. Merci pour le txt d'emprunt, personne ne m'a pris au sérieux mais bon, misy iray oh tena tiako dia ho hita eo... Merci toi, merci moov, merci forumistes et merci misoa123, et merci internet.

Ecrit par : mimozette | 12 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

kay leitia e

Ecrit par : Rajiosy | 14 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

zany kosa ve tsy antsapaka ry mimozà ( zette!!!) ? 27 dia boka sa afakafaka mahita?

Ecrit par : Klem | 15 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

A la guerre comme à la guerre !

Mialy sft: Lé mahay manao traduction ireny koa ange tsy dia maninona e!!!

tu fais du pied à Rajiosy où bien ? Io Rajiosy ah! Io fa mahasahy !!! Fatihala indray androany!!!

Ecrit par : Ianja | 15 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

inona indray izany "Fatihala" izany e !!??!

Ecrit par : Rajiosy | 16 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

Fatihala: maty noho ny fanalàna. Tu sais, manala e !

Ecrit par : Ianja | 16 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

:-)

Ecrit par : Rajiosy | 16 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

Enlevez-moi jusqu'au bout de la teeeerrrrre,
Enlevez-moi jusqu'au bout des merveilllllles

miencourager ny kidnappeur nareo? sa mila rançon i Ianja :))))

Ecrit par : Klem | 16 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

ka aiza zé gloire eo?

Ecrit par : Ianja | 16 septembre 2008

Répondre à ce commentaire

trop be zany kozy zany klé lol

Ecrit par : Lita | 22 octobre 2008

Répondre à ce commentaire

Hi there!
My first post at this great blog!
I wanna show u my dayly updated blog: Black Amateur Fuck Video
Have a nice day!
BB!

P.S. if you don't want to see this message please write me to no.ads08@gmail.com with subject "NO ADS" and URL of your forum
Thank you for cooperation!

Ecrit par : KurmanAhlabm | 12 novembre 2008

Répondre à ce commentaire

tsy azon'ilay ranamana Kurman io hoe "mitady ny tsy misy" ianao !
sa aminy "tsy misy" = BAF ???

Ecrit par : Rajiosy | 12 novembre 2008

Répondre à ce commentaire

"tsy misy" = BAF ???
hihihihihi, ça s'appelle "plonger dans le néant"

Ecrit par : Ianja | 13 novembre 2008

Répondre à ce commentaire

C'est avec consternation (?) que je vous annonce que Mimozette a bien trouvé l'âme soeur sur le Web. Ele se mariera ce samedi, le mariage civil, c'est jeudi, je crois. Je suis heureuse d'avoir contribué à cette belle histoire. Je vous écrirai le reste dans un billet, après le mariage. Le dress code est " Gasy mianjaika". Je me demande vraiment ce que je vais porter hein

Ecrit par : Mialy s'en fout | 13 juillet 2009

Répondre à ce commentaire

Ecrire un commentaire