18 mai 2008
Vehivavy mpanafintohana!!!
Mampihomehy ahy foana taloha mihaino ny olon-dehibe miady hevitra. Satria ohatran’izao matetika ny fiaingany. :
- Ho ahy aloha dia mena io e.
- Tsy mena io fa manga
- Manga ahoana e ? Izao mena dorehitra izao ka ho manga ?
- Manga re io e !
- Mena io hoy aho, fa ianao ve misaina e ?
- Hanenenao izany vavanao izany any aoriana.
Raha tsy izay dia hoe :
- Mena io e ?
- Manga io, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.
- Mena io, raha ny masoko no mijery aloha e.
- Manga io ka. Jereo Korintiana toko sy andininy.
- Ka tsy izany ange fa…
- ‘Ndao fa hotafintohana eny am-baravam-piangonana fa miziriziria amin’ny hevi-diso eo ihany.
Ary ny tena mahatapa-tsinay ahy tanteraka dia ity :
- Mena no vahaolana amiko.
- Manga no mety, amin’ny maha olombelona.
- Ka mena no hitako fa mety, noho ity sy ity.
- Tena maivan-doha ianao fa izao ange no antony maha-tsara ny manga.
- Tsy vahaolana izany raha ny fijeriko, satria izao sy izao.
- Ianao io mantsy no mihevi-tena ho manana ny marina.
Lehibe ihany aho ity, na dia mbola 27 taona monja aza. Fa tsy dia niova firy ny fanaon’ny olona. Dia izaho sy ireo izay mitovy amiko mihomehy foana hatrany ( on est les idiots du village, c'est pour ça). Ho ahy izao ny maintso no tena tiako. Maintso kely, maintso be, maintso mavana, maintso tanora, maintso lomotra… Maintso e. Ka jereo ange, atsy sy eroa ao anatin’ity blaogy ity fa izao sipakely (sa sipabe?) izao no :

- Vehivavy tsy misaina.
- Mamingavinga an’Andriamanitra ( Andriamanitra Kristianina io. Io ihany mantsy no heverina fa tsy azo kitihina fa ny an’ny hafa ohatran’ny toa zarany aza misy mikitika. Hahahahaha !!!)
- Mandiso ny fiainany sy ny fiheverany ny tenany.
- Misetrasetra.
- Miaro ny ratsy indrindra eto an-tany.
- Mampiana-dratsy ny olona ( ny olona izay heverina ho bodo sy adala ka bilaogy kely ity avy dia ampy hanodina ny sainy?)
- Ary… ho faty aho indray andro any ka hanenenako izany.

Dray ry lanitra ô ! Meloka aho, tena meloka. Manoloana ity vahoaka be tsy manan-kilema ity, izay manana ny "marina" sy ny "rariny" sy ny "hitsiny" amin'izay rehetra miseho eto an-tany, tena meloka aho fa vehivavy faran’izay ratsy, ratsy, raaaaaaatsy. Maninona ary no maintso no loko tiako, fa maninona raha mitovy amin’ny rehetra ny safidiko ? Maninona aho no mihevitra fa tokony mba hitady ny marina ho ahy koa, raha sanatria ka tsy mahafapo ahy ny marina heverin'ny olon-drehetra? Dray re, ry razako e. Fa maninona raha tsy nijanona tamin’ny toerako aho, ka tsy mba nanana hevitra ho ahy mihintsy ? Maninona ary no tsy mba mitovy hevitra foana ny olona, sitrany ahay tsy tafintohina ny hafa ? Sitrany ahay ny marina ho an’ny hafa foana no mba marina. Tsara ery izao izany tsy misy mpanozongozona izany.
« … Les braves gens n'aiment pas que l'on suive une autre route qu'eux,
Non les braves gens n'aiment pas que l'on suive une autre route qu'eux.. » (*)
Non les braves gens n'aiment pas que l'on suive une autre route qu'eux.. » (*)
Nefa ange dia tiako ery ny olona rehefa tsy mitovy hevitra amiko iny. Matsiro ery ny miresaka aminy. Indrindra moa ka rehefa resiny lahatra aho fa tsara sy mitombina ny heviny….
Fa tsy natao hifampizarana sy hampiadiana ve ny hevitra e. Rehefa tsy mitovy dia tsy mitovy fotsiny. Dia miezaka mifandresy lahatra. Fa aza andrasana ny andro ahafatesako fa zà ange manana pouvoir intersidéral du cosmos de la planète Kaïan e, tsy hitanareo akory izany hahafatesako izany. hahahahahahahahahahahahaha.
(*) Brassens. La mauvaise réputation.
16:26 Ecrit par Mialy | Lien permanent | Commentaires (22) | Envoyer cette note | Tags : mialisoa randriamampianina, mialy s'en fout
Commentaires
Trop lé paragraphe farany. Pouvoir intersidéral MDR
Ecrit par : Ianja | 18 mai 2008
Répondre à ce commentaireIzany no nahatapa-tsinay anay sy Anna vao eo t@ msn. Tsy ekeny ny hevitro mikasika ny JO any Pékin satria izaho niteny fa tsy tokony nomena ny Sinoa mihintsy io, satria izao sy izao sy izao. Izy milaza fa tsy mety ny mampifangaro ny politika sy ny sport, ka tsy tokony saziana ny sportifs noho ny tsy fihetezan'ny fitondrana. Niady hevitra teo izahay. Dia ozizy tam farany ; - Izany no tsy mampety an-dry satria diso ny fiheverana ny tantara. Dia ozy a hoe ; - Hananenana izao amin'ny ora farany. Dia tapatsinay izahay satria morakely ny manao parodie ny olona obtus. Hahahaha
Ecrit par : Mialy s'en fout | 18 mai 2008
Répondre à ce commentaireka inona hono ny vaovaon'i Dubaï sy Addis-Abéba e ? (mibebaha amin'izay ?)
Ecrit par : Rajiosy | 18 mai 2008
Répondre à ce commentaireEcrit par : Charles | 18 mai 2008
Répondre à ce commentaireEcrit par : Ianja | 18 mai 2008
Répondre à ce commentaireEcrit par : gentleman | 19 mai 2008
Répondre à ce commentaireEcrit par : Mialy s'en fout | 19 mai 2008
Répondre à ce commentaired rahoviana lé cd no mba ho azoko ramose? (pour pas que tu croies que tu m'ennuies)
Ecrit par : Mialy s'en fout | 19 mai 2008
Répondre à ce commentaireEcrit par : gentleman | 19 mai 2008
Répondre à ce commentaireEcrit par : Mialy s'en fout | 19 mai 2008
Répondre à ce commentairetsy efa ho 10 volana ve izay nanarahako anao ohatran'ny alikakely izay ka mba jereo ihany e...
Ecrit par : gentleman | 19 mai 2008
Répondre à ce commentaireEcrit par : Mialy s'en fout | 19 mai 2008
Répondre à ce commentaireEcrit par : gentleman | 19 mai 2008
Répondre à ce commentairecatch me if U can. :-)
Ecrit par : Mialy s'en fout | 19 mai 2008
Répondre à ce commentairematoria amin'izay e. je sais bien tout ça. :-)
Ecrit par : gentleman | 19 mai 2008
Répondre à ce commentaireEcrit par : ianja | 19 mai 2008
Répondre à ce commentaireEcrit par : Mialy s'en fout | 19 mai 2008
Répondre à ce commentaireEcrit par : gentleman | 19 mai 2008
Répondre à ce commentaireEcrit par : anna | 19 mai 2008
Répondre à ce commentaireEcrit par : ianja | 19 mai 2008
Répondre à ce commentaireOk, Msn, gmail et tout le foin ont de quoi vous faire tchater toute la nuit. Pliz, on arrête pour ce soir messieur dames!
Ecrit par : Mialy s'en fout | 19 mai 2008
Répondre à ce commentaireDu coup ohatran'ny be commentaire be le billet nefa zavatra tsy misy quoi lé resatsika :)
Ecrit par : anna | 19 mai 2008
Répondre à ce commentaireLes commentaires sont fermés.