« Plugged In: The End of the Oil Age | Page d'accueil | Et bonjour d'Addis Abeba »

04 mai 2008

Bonjour de Dubai!

Hé, les gars!

C'est-y pas génial? Je vous dis bonjour de Dubai, où je pratique activement la religion du "mitanatana vava" et du "rara-kivy". Ah, je jubile. Je vous raconterai au retour, je n'ai pas trop le temps, là. Juste laisser  un mot pour pouvoir dire que "J'ai blogué à Dubai". Wi, I know, je suis bête. Fa rara-kivy e... Comme disait Dadabe, "Biby ny vazaha!" hahahaha

A très bientôt ! 

Commentaires

Izay ilay manahirana amin'ity tsy fahalalantsika ny tantarantsika ity, manjary diso ny fiheverantsika ny tenantsika dia diso ny fiainana :

1/ Taona 500 BC (Before Christ) - AD (Anno Domini) 0 : tonga teto Madagasikara ny Aostroneziana (Austronésiens) razamben'ny mponin'ny nosin'ny Azia Atsinanana rehetra ankehitriny dia tsy inona fa i Malaisie sy Indonesie (Sumatra, Borneo, Java, Bali, Bangka, Papouasie, Célèbes, Philippines, Taïwan). Nitondra fiteny tranainy be izy ireo dia ny fitenintsika Malagasy ankehitriny izay mbola misy olona miteny azy ao @ nosy Borneo-Kalimantan (Borneo Atsimo) dia ireo foko ao amin'ny sokajin'ny reninrano Barito (ny Dayak Ma'anjan, Samihin, Dusun Dejah, Dusun Malang, etc.). Ireo no fototry ny Malagasy, nisy mainty izy ireo (sahala amin'ny Mélanésien Papou) nisy mavo mitovy amin'ny Indoneziana sy mavo ohatry ny Sinoa, kely maso (epicantrop. Mpihinana saonjo, vary, voanio, ankondro, lambo, trondro, ragidro ireo razantsika ireo. Ireo razantsika ireo no nitondra ny zavamaneno Malagasy rehetra, izay Aostroneziana avokoa : sodina (suling), valiha (valya < sanskrit vaadya), amponga (ampung), jejy (zeze), atranatrana (atrang atrang), ankilonga (anklung), sns. Mbola ireo razantsika Aostroneziana ireo koa no nitondra ny fomba Malagasy rehetra fahiny ankehitriny : famadihana (secundary burial, mbola hita ao @ Ma'anjan sy nosy Bangka), fandevenana ny mpitondra (andriana) ao anaty lakam-bola alefa anaty rano (voalaza fa fanaon'ny Vazimba taloha, Aostroneziana izany ny Vazimba satria mbola fanaon'ny mponin'ny nosy Aostroneziana maro io fomba io, hatrany Polynezia ka hatrany Japon), finoana razana (efa tsy misy mino loatra intsony saingy finoana avy any koa io), ets...Hatramin'ny fomba fihira bemiray (polyphonie) sahala amin'ny Zafindraony dia tao Taiwan no niainga dia ireo Aostroneziana ireo no nampianatra azy ny Afrikana Atsinana sy Atsimo (Zulu, Zimbabwe, Kenya, ets.) fony nivezivezy any ry zareo ka nanambady vehivavy tany ny sasany (betsaka ny Afrikana metisy Aostroneziana no manana mason-tsinoa, ohatra i Nelson Mandela).

Ny Afrikana efa taty Afara (AD 500 - 1000) be no tonga teto Madagasiakara sady nalain'ny Aostroneziana razantsika ho andevo no nahatongavany teto Madagasikara, satria mpanandevo olona be ireo Aostroneziana ireo sady mpivarotra andevo tany amin'ny sisin'ny Oseana Indiana rehetra tany, hatrany Arabia sy Indonezia. Ireo andevo ireo no nampiditra ny voambolana Bantou sasantsasany ao amin'ny teny Malagasy-Aostroneziana (Ngumbe-omby, kuku-akoho, usi-osy, mpunda-ampondra, tungulu, tongolo, ets.).

Efa voaporofon'ny mpikaroka momba ny ADN fa ao amin'ny Malagasy rehetra na fotsy na mainty na mavo na mena na ngita na tso-bolo ny ADN Aostroneziana izay antsoina hoe "polynesian motif" izay hita hatrany Polynezia. Milaza izany fa io no iraisan'ny Malagasy rehetra. ADN Aostroneziana (70 % nyvehivavy). Mazava ho azy fa misy ADN Bantou koa ny Malagasy sasany (30 % vehivavy). Vakio @ Internet ity lahatsoratra ity : Hurles et al (2005) "The dual origin of Malagasy in Island Southeast Asia and East Africa" American Journal of Human Genetic.

Manontany anao ary aho. amin'ny saina tsy miangatra : Aostroneziana SA nègre Afrikana no fototrao amin'ny maha vehivavy Malagasy anao (indrindra amin'ny maha Malagasy Merina anao ?) ? 70 % ny ADN ny vehivavy afovoan-tany (Merina, Betsikeo, Sihanaka, Bezanozano) dia Aostroneziana-Aziatika. Koa Aostroneziana ve no fototra nihavian'ny Malagasy sa nègre-Afrikana (ny vehivavy mpiteraka no fototry ny Firenena = fi-RENY-ina, RENY) ? Rehefa miresaka fototra isika dia tsy endrika ivelany (lokom-bolonkoditra, taolana) no resahina fa : ADN, teny, sakafo, fomba, mozika, ets. Hitanao amin'izany fa "vernis" ny maha-nègre ny Malagasy, nefa dia lazaina hoe io mihitsy no maha-izy antsika : lainga be. Tsy ny maha Afrikana na maha Aostroneziana no inona fa ny fahalalana hoe inona marina no fototra misy antsika mba ahafantarantsika ny antony naha toy izao antsika : izay tsy mahalala ny lasany dia voaheloka hamerina ny hadisoana efa nataon'ny razany.

Soava tsarà ianao

Ecrit par : tsy nègre no fototra fa vernis fotsiny io | 05 mai 2008

inona no hifandraisany @ Dubaï ?

Ecrit par : Rajiosy | 06 mai 2008

pourquoi est-ce que j'ai l'impression que la réponse de la blogeuse oscillera entre "mais Mialy s'en fout" et "Je suis sidérée!"????????

Ecrit par : Ianja | 13 mai 2008

Ecrire un commentaire