« Tabataba | Page d'accueil | La tournée annulée de Rossy »

08 avril 2008

Les monologues du vagin

Ity manaraka ity dia tsy natao ho an’ny olona manana fahasahiranana amin’ny teny gasy sy amin’ny teny milaza ny «mamoha fady ». Natao "déclamation" nandritra ny "soirée littéraire" kely, ka dika malalaky ny ampahany fohy amin'ilay tantara an-dampihazo nosoratan'i Eve Ensler. Sangan'asa izay heverina ho  andry hijoroan’ny tolon’ny vehivavy eran-tany : « Les monologues du vagin », nadikako tsotsotra hoe ....« Ireo tanisan’ny fory » (fivaviana, c'est bof loatra). Hazavaiko kely fotsiny ho an'izay tsy mahafantatra: io tantara io dia niainga tamin'ny resadresaka niarahana tamin'ny vehivavy maherin'ny 200 eran-tany: samy hafa fihaviana, finoana, firenena, firehan-kevitra, asa, tantaram-piainana sy ny sisa ka nahafahan'i Eve Ensler nanangana tantara manodidina ny "vagin". Indraindray mampalahelo, indraindray mampihomehy, na manaitra, na mankarary fo, mahamenatra, na... mamelona filana ny tantara. Fa ireo rehetra ireo koa dia tantaram-behivavy. Ity ampahany ity dia tantarana vehivavy silamo bosniaka naolana miaramila, nandritran'ny ady tao ex-Yougoslavie. Nosafidiko manokana ny handika azy noho ny lanjan'ny tsiambaratelo. Nosafidiko koa satria... io no ampahany io no angamba tsy hahasadaikatra anareo "puriste" indrindra ny mamaky azy ( na dia tsy évident ny mandika azy, finalement). Dia mikopakopaka kely an'i Michael Keaton any lavitra any izay manohitra ny "fampijaliana ny teny gasy" ( il se reconnaîtra, hoy ny fitenenena) :))))



Ilay foriko, ilay tananàko…

Saha maitso mavana sy mavokely ny foriko fahizay. Afaka nihinam-bilona tao ny ombivavy. Afaka nisafosafo ahy tamin'ny horonam-bozaka maina ilay fofombadiko.

Izao, misy zavatra eo anelanelan’ny feko. Tsy haiko hoe inona… Tsy haiko hoe aiza. Tsy tiako kitihina. Tsy tiako intsony. Hatramin’izay nitrangany. Tsy tiako intsony. Hatramin’izay. Fory tia korana ny ahy taloha, tsy andriny mihintsy, fa mitanisa izy, mitanisa foana…

Kanefa hatramin’izay nanofisako fa misy biby maty mizaitra @ kofehy mainty eo anelanelan’ny feko, dia nangina izy. Mameno ny tenako ny fofona maimbon’ity biby ity. Mandeha rà ny tendany, voakapa, ka mandoto ny akanjoko.

Nahafantatra ny hiram-behivavy, ny hiran’ireo tantsaha, ireo hiran’ny alan-dohataona sy ny vazon’ny firenen-drehetra ny foriko. Fa tsy nihira intsony izy, rehefa nampidirin’ireo miaramila tany anatiny ny loha-basiny. Mamanala ery izato vy, ka nangatsiaka hatramin’ny foko. Hitifitra ve izy ireo, sa hasisiny hatrany anatin’ny ati-dohako efa folaky ny tahotra ity basy ity : tsy haiko. Fa...nandentika tavoahangy, kanonta sy vodin-kifafa tao anatiko ny enina t@ ireo biby mahatsiravina misaron-doha mainty ireo.

Renirano mahafinaritra hilamanosana ny foriko fahizay, rano mangaharahara, mitsoriaka ambon’ireo vato danihan’ny masoandro,  ambonin’ny vaton-kindiko. Nikoriana hatrany hatrany. Fa hatramin’ny nahenoko ilay hiaka maranitry ny nofoko rovitra, dia tsy nikoriana intsony ilay renirano. Tsy nikoriana intsony, rehefa niongotra teo an-tanako ny ilan’ny foriko, ny ilan’ny kindiko. Ilay foriko. Ilay tananako. Tanana velona, mamy sy mafana. Ny foriko, ilay toerana nahaterahako. 

Nandritran’ny fito andro, dia nifandimby izy rehetra, nameno tembo ny anatiko, maimbo tay sy lo. Hatramin’izay dia tsy nitoerako intsony ny foriko. Lasa renirano nisarika nana sy poizina aho, hany ka maty avokoa na ny vokatra,  na ny trondro.  

Ilay foriko, ilay tananako, mamy sy mafana. Notafihany ianao. Novonoiny. Nodorany. Tsy afaka mikitika anao intsony aho. Tsy afaka hijery anao intsony. Any an-kafa aho no mitoetra, ankehitriny. Any an-kafa. Fa tsy haiko hoe aiza. 
 
 
Extrait de "Les Monologues du Vagin" de Eve Ensler.
Édition  Denoël & d'Ailleurs, 2005.

Commentaires

serait-il possible, bloggeuse engagée, d'avoir la version française de cet extrait?

Ecrit par : Hortelia | 08 avril 2008

aouch, tena marary kely ny masoko lé...
ty partie ity kosa tena trop : Tsy nikoriana intsony, rehefa niongotra teo an-tanako ny ilan’ny foriko, ny ilan’ny kindiko. "

lé mot "kindy" déjà, inona marina no localizeny?

tena ôtran'ny hafahafah beuh zany mamaky, soa fa lasa any andakozia rafotsy teo. aleo pihana haingana alou ty varavarankely ity fa sao ahafaty

Ecrit par : Klem | 08 avril 2008

AAAAAAGGGGGGGGHHHHHHHH...TENA AAAAAAAGGGGGGGHHHHHHHH...; TSEMBOKA BE ZA.
TEMBO MINTSY VE?

Ecrit par : HASMINA | 08 avril 2008

Klem: kindy c clitoris. non??? sa in?

Ecrit par : Malala | 08 avril 2008

tena sempotra ny lohako.
KOFONA BE ZA

Ecrit par : Ianja | 08 avril 2008

Fa merci e, misy hotsakotsakona raal...

Ecrit par : Ianja | 08 avril 2008

kay ry Ianja, tena "tsakotsakona" mintsy ve? Mampalahelo sy mampiehritretra ny tantara fa tena trop kosa ny teny gasy indraindray an. Kanefa ange dia ampiasaina andavandro ihany ireo teny ireo fa na izany aza...

Ecrit par : Klem | 08 avril 2008

kay ry Ianja, tena "tsakotsakona" mintsy ve? Mampalahelo sy mampiehritretra ny tantara fa tena trop kosa ny teny gasy indraindray an. Kanefa ange dia ampiasaina andavandro ihany ireo teny ireo fa na izany aza...

Ecrit par : Klem | 08 avril 2008

hihihi, tena miaiky a. TENA MIAIKY TANTERAKA

Ecrit par : Ianja | 08 avril 2008

Misaotra marina e, mahafinaritra ny mamaky sy mihaino azy

Azoko sary an-tsaina ny fijalian'ireo vehivavy.

Fivaviana, hitako hoe poétique kokoa.

Ecrit par : ikalakely | 08 avril 2008

hum hum
sahisahy ramatoakely !
fehiny : tokony ampijaliana ihany ny tenintsika, kony moa ô :-)
aleo ny teny no ampijaliana toy izay ny tena...

Ecrit par : Rajiosy | 08 avril 2008

voalohany aloha dia :
ANDREKAIKO, FA INONA ITY

faharoa dia merci ihany, fa zavatra tsy noheverina ny hoe andeha hiaina ny fijalian'ireo voaolana. Tokony alefa any @ Tsimbazaza io, vakiana any dia hanerena ireo parlementera hanamafy orina ny lalana momba ny fanolanana izay GORAGORA loatra eto amintsika.

fahatelo dia
ANDREKAIKO, FA INONA ITY

mpanjakan'ny provoc ianao

Ecrit par : Kristianina fanina | 08 avril 2008

Rajiosy> tsy mandeha hono ny fahazahoan-dalàna mametraka commentaires any aminao.
Avoakako eto ary aloha e, asio fahana RSS!

Fanontaniana manitikitika ahy (voalohany aloha dia mankasitraka an'ilay soirée 8 Mars na i Mialsft 'namaky' na ireo naharitra nihaino h@ farany)

Fa raha dinihako ilay firesak'i Mialysft ary @ rajiosy io dia ohatran'ny mbola menatra kely ihany ve izany isika, ianao milaza ilay tanisan'ny fory, sy ilay tampon-kindy? na dia voavaky aza ilay dikan-teny "tena malalaka sy marina ary direct be"

Ny famaky azy tokoa mantsy eto , dia tena mazava be ary tena io mihitsy no tokony andikàna ilay "vagin" amin'ity contexte iray ity!

Ary raha mba asian'i Mialysft feo koa ve eto tsy vao maika mety ho tsara e?
Eo moa e?!!!!

Ecrit par : ikalakely | 08 avril 2008

Ikalakely a, efa tena TROP izay nanaovany azy t@ 8 mars izay fa raha izaho aloha dia tena lany haiky mihintsy e. nifampijery fotsiny avy eo izahay.Sady i Mialy un peu basse ivaviva izay ny feo nanaovany azy, tena TROP be lé izy en live. sady ny tena nahasadaikatra dia ity: vakiana ami teny français lé izy sur papier fa tonga dia avadika am teny gasy rehefa mamaky, donc lé fotoana hieriteretany fohy. d tena ôtran'ny hoe tena efa teo lé mot d mibosesika mivoaka fotsiny. aoka ihany ka, ho anà tsy dia niomana firy aloha tena jenjina mintsy e. Sady ikala tsy mihomé mintsy "mitanisa", tena miaky a

Ecrit par : Ianja | 08 avril 2008

Miss provoc, puissance 1000
mankasitraka e, miala kely @ le pseudo-fahamaotinana gasy.

Ecrit par : Miss provoc | 08 avril 2008

Ikalakely, lé "tampon-kindy", hoa, hitako hoe ...insultant e? sa ahoana ny fahitan'ny hafa?

Ecrit par : Klem | 08 avril 2008

Merci Mialy. Merci mille fois. Marina fa mahajenjina sy mahafanina ny maheno azy am teny gasy nefa mino aho fa izay indrindra no tanjon'i Eve Ensler raha nanoratra azy tany am-boalohany. Aoka hikoriana ny hiran'ny fo sy ny hiran'ny fory raha izay no midika fahafahana ho antsika.
Hozy le vadiko hoe raha milionera isika dia afaka nanome vola tropy mpanao teatra tany an-toerana andeha hitety an'i Gasikara sy hitondra ny tanisan'ny fory eny anivon'ny vahoaka.
Farany: le contexte Bosnie mampahatsiahy ahy tanteraka an'ilay sarimihetsika 'Savior'. Nisy an'ilay scene tsy afaka an-tsaiko dia ilay miaramilan'ny haizina niandry tam vavam-basy ny fivoahanan'ilay zazakely avy ao anatin'ilay vehivavy tsy manan-tsiny. Inona no tantitsika kokoa: habibina tsy roa aman-tany toy izany sa ny hiran'ny fory mitaraina toy izao?

Ecrit par : miangaly | 09 avril 2008

Efa ato io e ! Nataon'ireto sipa ireto tamin'ny vday. Sady misy ebook no misy feo.

Ecrit par : VDay Gasy | 09 avril 2008

bjr daôly. Merci ho an'ireo mankasitraka dia aza fady ho an'ireo tohina, fa io ary ny tenintsika ka atao ahoana. Lé izy ange tsy tokony hi-buter @ lé mot isika fa mandeha au delà, satria hafatra lé izy fa tsy teny comme ça fotsiny e.

Hasmina: sperme ilay teny ao anatin'ny version frantsay. Saika hoe "ranonaina" no nandikako azy fa hitako hoe tsy dia mety satria io teny hoe "ranonaina" io dia manakaiky kokoa ny "semence" izay expression tsy dia approprié loatra ( à mon avis) pour parler d'un viol. "Tembo" indray ampiasaina ho an'ny biby, ce qui je pense rejoint plus l'idée véhiculée par le monologue. d'ailleurs, lé vehivavy miqualifier an'ireo violeurireo hoe "biby mahatsiravina". Donc, tembo izany no mety.

Ecrit par : Mialy s'en fout | 09 avril 2008

Ikalakely: za tsy menatra miteny an'ireo fa...i Rajiosy! Manoratra fory izy dia ataony hoe "fo.y" hahahahaha!!!!! ohatran'ny lé am film censuré lé hoe : "je vais te biiiiiiip ton biiiiiiip" :))), ce qui a été repris en de termes plus ludiques pour les tous petits : "je vais te schtroumfer ton schtroumpf "

MDR

Ecrit par : Mialy s'en fout | 09 avril 2008

Il est vrai que tu as un sens de l'humour a toutes épreuves, Mialy roumanoff?

Ecrit par : Charles | 09 avril 2008

angaha hita fa sao misy ankizy mamaky !
izahay anie niaina t@ sinemà visa C/visa B/visa A e

Ecrit par : Rajiosy | 09 avril 2008

misy mahalala ve ilay hoe "vitsika tortue" ?

Ecrit par : Rajiosy | 09 avril 2008

salut mialy. c'est la première fois que je visite ton blog. sasy nampangitsina ny tantara no nahafinaritra ny fait hoe nisy sipa sahy nitantara an'izany. bizz

Ecrit par : domoina | 10 avril 2008

C'est vrai qu'on devrait essayer une lecture a l'assemblée nationale pour voir.

Mais c'est déjà tout vu je pense. Les commentaires bouches bées (censées êtres éclairées puisqu'ayant accès a la technologie et donc par extension au savoir) prouvent combien, o combien ! la société malgache (pas celle originelle, certainement plus spontanée, plus franche, plus nature , bref plus vraie et que l'on a définitivement perdue mais celle cerveau-lavée par des centaines d'années de colonisation politique, culturelle et religieuse) est prude.

Lu a Madagascar, ce texte, bouleversant (dans tous les sens du terme) ne sera que ramassis d'insanités.

Ecrit par : Rondro | 10 avril 2008

Mialy, j'attends l'extrait en français...

Ecrit par : Hortelia | 10 avril 2008

ce sera un ramassis d'insanités parce que, hé bin, on a choisi d'être des gens incapables de voir autre choses que ça...

Ecrit par : Kristianina fanina | 10 avril 2008

Mialy Roumanoff ? Je l'ai toujours pensé... Dommage que je n'étais pas le premier à le dire

1° Culture générale : Michèle Rakotoson, dans un de ses bouquins en français, j'ai oublié le titre, disait, en malgache dans le texte : "tary dondrom-pory".

2° Une blague pour le bon Dieu, le soir avant de te coucher, comme à ton habitude (la Bosniaque aurait pu le dire) : "Allô ? Pompiers ? vonjeo fa may ny volom-poriko ! ! "

3° Un petit poème pour toutes les adoratrices de Ste Bridget :
"Ry foriko mitonia
Mitonia raha sendra alon-drano
Ny hotakotakao aoka mba ho sarin'ady..."

Courage Mialy, fuis toujours en avant !

Ecrit par : Randy | 23 avril 2008

le souci avec Mialy s'en fout c'est qu'elle fuit avec un tank. Mitabataba be!!!

Ecrit par : Ianja | 23 avril 2008

hitan'i Randy ny fanaovana azy! Vakiana daholo aloha lé délire rehetra dia avy eo misafidy billet iray dia alefa ao daholo ny commentaire fa raha tsy izany very! Ary malaza ty blog ty a, any @ moov ve rangà mbola ahitana trace ihany!

Ecrit par : Gasy | 23 avril 2008

Ecrire un commentaire