« Caïn ou la promesse divine | Page d'accueil | Les monologues du vagin »

04 avril 2008

Tabataba

Tiako ho tsapaina ny halalin’ny hatezerany kanefa…atahorako ny hifanehetra tampoka amin’ izay tsy natao ho zakan’ny aiko.  Na izy, na izaho, samy mahafantatra fa betsaka ny tsy ho voatanisa. Satria tsy ho hainy ny hilaza amiko. Na tsy ho haiko ny hihaino azy. Na koa samy tsy mbola vonona ( foana ?), na izy na izaho, ny hiverin-dalana vetivety. Satria mbola miboiboika ny hatezerany izay sady …tiako ho tsapaina kanefa tena atahorako. Hatezerana izay angamba efa hatezerako ihany koa, indraindray. Tsy misy fihetseham-po mahasanganehana ahy ohatran’ny hatezerana, na ny hatezerako, na ny an’ny hafa.  Fa mbola mahasanganahena ahy mihoatra izany ny fahitana fa 61 taona taty aoriana, dia mbola tsy nitony foana ny fony. 
 
http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/be/29_Mars_1947_Monument.jpg/180px-29_Mars_1947_Monument.jpg
 
 
- Ialahy, mbola hifampitana isika sy ialahy! Ho azoko ialahy!
- Ireo Panama ireo no tena mpivaro-tanindrazana! Ny MDRM ihany no tena tia tanindrazana!
- Misy mpamadika amintsika e, natakalo vola kely avy  amin’ny vazaha ny ain'ny mpiray firenena.
- Nefa izao, jereo fa miriaria miaraka amin'ny taranany ihany. Kanefa ny anay, maty vono!

Devant-moi, une lycéenne prend fièvreusement des notes. Je la regarde; pas un instant, elle ne s'arrête de griffonner. Je suis très curieuse de lire ce qu'elle retient de tout ce déferlement d'horreur. Je suis très curieuse de savoir ce que les aînés veulent que l'on retienne de ce déferlement d'horreur.
 
Un homme se lève devant l'assistance. Se dit membre actif du MDRM, à l'époque. Se dit professeur de malagasy. Se dit agrégé en lettres françaises. Se dit avoir "mis de côté" l'enseignement de la langue de Molière "satria tsy ho amin'izany no nanaovan-janahary ahy fa ho Malagasy". Et comme un con, il se tourne vers l'assistance en quête d'une ovation. "Zany ny anareo tanora, zao ny tenin'ny mpanjanaka avy no mahafatifaty anareo nefa e, ny havanareo ka novonoiny tsy misy antra." Parce qu'en l'an 2008, la traîtresse, c'est moi, la francophone qui aurait troqué son identité contre "un randrana tsy manendrika". Dia atodiho aty amiko indray ny vava basy, izaho koa tsy hamaly e. Trop facile, ça.
 
Dia tsy tandritandriko teo dia nivoaka ny fandrahonanana sy ny hoe "mbola hifampitana".... Mihivingivin-doha, mifampiantsy ady hafahafa, mifanasa vangy moramora eo am-pitoerana eo. Atao haza lambo "am-bava" eo ry zareo "mpamadika"...."Feno taranaka Panama ato", sady mihifikifika ery. "Ny razambenay Menalamba, Vvs, izahay mpitolon'ny 47. Tsy mpangataka izahay fa tompony!", avec un regard entendu lancé à la ronde. Et elle griffonne, la lycéenne. Religieusement. Consciencieusement. 
 
Mba azonareo an-tsaina akory ve fa ny hatezeranareo no ampitainareo fa tsy ny tantara? Miasa ho an'iza ny fankahalana? 
 
 

Commentaires

tsy nandramanao angaha ilay hoe : "ny panama mbola lefy ihany fa ny guatemala ny ahy no tena tsy tantiko !" na ilay efa tsy original intsony "ka izaho anie mbola tsy teraka tamin'izany e !".

Ecrit par : Rajiosy | 05 avril 2008

Io farany io dia mampatsiaro ahy an-dRavalomanana mihintsy, fa io lé vôlazany

Ecrit par : Charles | 06 avril 2008

nataon'ikala in miss peggy???????????????????????

Ecrit par : Ianja | 06 avril 2008

Tsy hainao angaha ilay hoe "ny ahy hajaiko fa ny an'ny hafa koa feheziko" mba havaly an'izany ?

Ecrit par : Crjo | 08 avril 2008

havaly an'iza am lé in?

Ecrit par : Klem | 08 avril 2008

mankasitraka tanteraka : ny zanaka tsy mitondra ny heloky ny ray aman-dreniny.

Ecrit par : Rajiosy | 08 avril 2008

za koa d'accord am Rajiosy sy Mialy. Aleo samy mizaka ny anjaran-tantarany dia miezaka mampiata an'ilay fanilo fotsiny e

Ecrit par : Kristianina fanina | 08 avril 2008

Ecrire un commentaire