21 janvier 2008

Hira malahelo...

 

MOFO TANTELY

 

Lafarinina 1 kg 
Leviora 1 kg 
Tantely 250g 
Sira
Menaka

 

Hitako omaly ireo zanakao,
Tao an-tokotany tao nilalao.
 
 
Ataovy ao anaty vilia jobo ny lafarinina.
Araraho ny leviora miaro rano matimaty iray vera.
 
 
 
 
Hitondra bônbôn ve izaho sa sôkôla
Ho an'ny zanakao mianadahy.
 
 
Asio sira dia volavolao amin'ny tanana mandra-paha malemy ny paty.Saromana lamba dia avela mipetraka eo adin'ny telo.                           
 
 
Mitovy aminao ikalavavinao
Tahafiny ireo masonao

 
 
Rehefa vita ny adin'ny telo dia anapaho tsikelikely ny paty.                 Ataovy boribory ohatran'ny peratra.             
 
 
 
Ilay lahy kosa maherihery setra
Mitovy taminao naditraditra
                                                         
 
Arotsahy anaty menaka mafana.                                                      
     Tonga dia hafanao anaty lapoaly ny tantely.                                                        
 
Hitako omaly koa ilay vadinao
Izy angamba mahafinaritra
 
 
Rehefa milokom-bolamena iny ilay mofo dia arotsahy anaty tantely.      Aza atao ela fa sao mamy loatra.
 
 
Niafona aho anefa toy ny mpangalatra
Ny marimarina izaho menatra 
 
 
Apetraho anaty vilia avy eo.
 
 
tsy hifanatrika aho tsy handroso
fa  ianareo roa ho ambinin-tsoa

 
Ary avelao hangatsiaka vetivety.
 
 
 
Tsaroako ianao fahiny
mihinana mofo  tantely
 
 
Dia iarahanareo roa mihinana ...
 
 
Ity vetsovetso ataoko androany ity.
Ho anao ilay tsy lany mamy...

Commentaires

Isn't she lovely?isn't she wonderful?isn't she precious? Mialy tu es tout simplement génial, tu chantes et tu mets la main dans la pâte en même temps!
Mmmmhh, miam miam!c'est bon!!!je me régale!!je me demande pourquoi tu as mis comme titre "Hira malahelo"?çà t'évoque de bons souvenirs n'est ce pas?
Sois courageuse Mialy
A bientôt

PS: dis-moi tu pourrais me filer d'autres recettes genre, goùté facile à faire?j'adore grignotter tu vois!messsiiiiiii

Ecrit par : Poona | 22 janvier 2008

Répondre à ce commentaire

tsy ratsy ilay hevitra

Ecrit par : Rajiosy | 22 janvier 2008

Répondre à ce commentaire

hitako ilay kômantera t@ fanombohan'ny verseau ! arahabaina e

Ecrit par : Rajiosy | 22 janvier 2008

Répondre à ce commentaire

J'adoooore ton blog! Quel regal de te lire :-)))

Ecrit par : miangaly | 23 janvier 2008

Répondre à ce commentaire

Les commentaires sont fermés.