« Ceux qui disent pourquoi pas | Page d'accueil | Noël sous les tropiques »

19 décembre 2007

Asa izay raha tsapany....

 
 0c08c10f63700ea032d12bf0bf476f1c.jpg
 
 
Hafahafa ho'aho ny tontolon'izy iny
Zakaranda mipoapoaka
Fonfon-tany mando no mba tiany
Rehefa volana Oktobra 
Orana mitendry ny fanitso
Izay no hira tiany indrindra
Ilay masoandro mody hamonjy ampitso
Sinemany takariva
 
... 
 
Fa nitoetra teo iny fitiavako iny
Tsy mba nisy resa-be
Arahaba iray, tsiky no nidify
Dia samy lasa nandeha
Samy mba nanohy ny eritreriny any
Ny azy aloha tsy fantatro
Fa ny ahy niova hira ihany
 
 
Asa izay raha tsapany...
 
 
Zakarandà, Lolo sy ny Tariny
 

Commentaires

Tsapany tsara lesy a. Fa inona intsony no afaka ataony, dify izy dia nakaton'ialahy ny varavarana. Ny nenina hono, tsy ao aloha hanazava fa ao aoriana handatsa. Azy ny azy, eny veloma ihany izany havako izany.

Ecrit par : Charlie | 19 décembre 2007

Tena tara @nao za e. Ambogadiny. Hitomaniako rangahy a, tsy hamelako, hivavahao mihintsy e.

Ecrit par : Gentl' | 19 décembre 2007

Hey, un petit clin d'oeil à SipaKV qui avait été inspirée aussi par ce texte
http://www.haisoratra.org/gasycool/?p=261

Ecrit par : Vola | 20 décembre 2007

Anisan'ireo hira hatsiarovako ny hatanorako izy io. Misaotra anao mampatsiahy fa mino aho fa "tsapany". Fahiny, tamin'ny mbola mpianatra teny amin'ny lycée dia roalahy izahay no mpihira azy io matetika. Anisan'ny hiran-dry LSNT tsy dia be mpahafantatra izy io tamin'izany, ka gagagaga ihany ny manodidina rehefa indreo izahay miredona ny hoe : "...izy tsy nanao kahie de sovenira... mampatahotra azy ny bal amin'ny alina, tabataba matimaty jiro...". Tao anatin'ny tontolon'ny "paktà" moa no nihirana an'izany ka talanjona ihany ny olona sy manontany hoe : "Avy aiza sy hiran'iza izany?" Taty aoriana, talohan'ny fampisehoana in-telo miantaona nataon'ny tarika teto Antananarivo, tamin'ny taona 1994 no nanomboka nalaza "indray" io hira io, rehefa nandeha matetika tamin'ny onjam-peo, indrindra moa fa tamin'ny Radio Korail (FM 90) tamin'izany fotoana izany. Hira, izay anisan'ny azo lazaina ho manamarika sy ahafantarana ny tarika LSNT.

Ecrit par : Angelo | 20 décembre 2007

Ito ny tranonkalanay :

http://zagasy.blogspirit.com/

Ecrit par : Bebey | 20 décembre 2007

Diso beuh ! Oainina kely!

http://www.lolosynytariny.com/

Ecrit par : Bebey | 20 décembre 2007

De l'art de parler a quelqu'un sans lui parler tout en lui parlant et en parlant a d autres, genial,
d abord bravo mille fois pour ce blog drole, vivifiant, tonique, intelligent (bon c est vrai il y a mylene farmer mais je suis d accord on peut pardonner tellement le reste decoiffe !!!)
ensuite merci a tous ceux qui ecrivent en malgache, c est une vraie torture mais quel delice, maromaroa ny torak'izany fa izaho kosa miala tsiny indrindra.
Angelo ecrit bien n'est-ce pas, tout le monde est d'accord je pense, et pour chacune de ses 1001 chansons il doit avoir autant de commentaires, de souvenirs, d'anecdotes comme ce qui est poste ci-dessus. Et puisque les LSNT ne semblent pas annoncer de futur cd, pourquoi ne publierait-il pas un livre-album avec chaque morceau annote commente etsss ?On pourrait lancer une souscription, je promets d'etre la premiere a souscrire, je veux bien souscrire deux fois meme.
C'est ma tres bonne idee et je la partage, pas vous ? Angelo, au boulot !

Ecrit par : Laura | 23 décembre 2007

trop belle la chanson.
Adala-na LSNT koa e:)

Ecrit par : maintikely | 25 décembre 2007

Tratry ny Krismasy sambatra ;) Dia manaova taom-baovao finaritra. Isan'ny mpankafy ny tariky Lolo koa aho ka dia efa roa izany ny mpanjifa manome toky.

Ecrit par : tomavana | 25 décembre 2007

Misaotra an'i Tomavana mafàna fo, mino aho fa tsy hita isaina isika no mpakafy LSNT, ka hitombo hatrany hatrany ny mpanjifa ! Tsy ho tody ihany ve 'zany antsoantso izany ô, sa mila ampina aponga kely ? Dia samia manao taom-baovao tonga lafatra ...

Ecrit par : Laura | 27 décembre 2007

"Ary soa fa ny loha-taona dia mari-potoana tsy diso. Fa izy no hanary dia, mandra-piandry ny fitia". Izany no entina iarahabana antsika rehetra nahatratra ny taom-baovao 2008. Ho amibinin-drary anie isika rehetra, ho samy salama tsy harofy, ho tojo ny sambatra sy ny manan-jara e! "Tady vita fatomaty" e!

Ecrit par : Angelo | 01 janvier 2008

mlay mialy a!tahaka anle bômbô gasy tany alou iany e!
d toizako itsy ambony itsy fa mlay b koa!

Raha vao mirotsaka ny oram-panala
Mitanjaka ny ala,mangitsy ny anio
Io fa nivadika ny Kalandary
Ka efajato andro izy no nitomany

Ô! dila sahady ny taona
Nifampiandry foana izy roa
Kay efa nifanao fotoana
Herintaona tany aloha

Ny taratasin'i Razazavavy
Zary mankanavy tonga isanandro
Ny heritreritr'i Razazalahy
Toa feno ahiahy manidina avo

Ary soa fa ny lohataona
Dia marimpotoana tsy diso
Ka izy no hanary dia

d rôvina iany ry Lôlô vao mba o ento @Tanàna fa leo Mahaleo a zany!!!

Ecrit par : afamitsko | 30 janvier 2008

ey!ô fait ny equivalent Lôlô anle "aza misara-mianakavy" na "kurde" iny "mifankatiava f'aza miady e"çà résume lôlô!!avec zakarandà!afa mits ko e!

Ecrit par : afamitsko | 30 janvier 2008

Les commentaires sont fermés.