15 septembre 2007
Ny vavaky ny Zoam
(Mba) Nampirina trano 'za androany dia nahita tampoka an'ity tantara ity tao anaty boky. Zavatra tsy mba niainako ity fa mety niainanareo. Tantarao anay "inculte du passé" hoe nanao ahoana izany fotoana izany. 2002 ange mantsy no mba afaka tantaranay aminareo, fa isaky ny te hitantara aminy "olon-dehibe" izahay dia misy miteny foana hoe "aza ampitoviana fa tsy mitovy e!". Rehefa tsy hoe "Ny tamin'ny andronay tolona, ny tamin'ny andronareo coup monté!" Asa re...
Ny vavaky ny Zoam*
O ry Ray ao ambony,
Ho hamasinina anie ny anaran'Itony
Hatao anie ny kléan'Itony
Ho tonga anie ny revin'Itony
Et an-tany fa tsy revin-drongony
Omeo anay anio aloha ny sogany androany
Fa rahampisto mbola mety hitomany
Mamelà ny tsy revin'Itony
Izahay anie tsy misotro rongony
Aza mitondra anay amin'ny kizo
Fa kôzy bonne atao...
Isika Zoam*
Izany Ferega sy ireo ôgany
Dia manenjika anao tamin'ny jazy sy jaolany
Ny kôzy amin'izay tsy kôzy intsony
Ampangaina ny bandy ho mpirevy rongony
Tsy ny bandy ihany anefa fa ao ireo kitsay
Izay lazaina ho mofo sy tsy mba milay
Tsy mba misy mihitsy ny tsontsongona
Fa mihatra ny daka ary koa ny vonoana
Tsy taitra ary isika fa tena solotra
Satria izay rovitra mbola ho voazaitra
Dia mitohy indray ary izany ny tantara
O ry Ray ao ambony,
Ho hamasinina anie ny anaran'Itony
Hatao anie ny kléan'Itony
Ho tonga anie ny revin'Itony
Et an-tany fa tsy revin-drongony
Omeo anay anio aloha ny sogany androany
Fa rahampisto mbola mety hitomany
Mamelà ny tsy revin'Itony
Izahay anie tsy misotro rongony
Aza mitondra anay amin'ny kizo
Fa kôzy bonne atao...
Isika Zoam*
Izany Ferega sy ireo ôgany
Dia manenjika anao tamin'ny jazy sy jaolany
Ny kôzy amin'izay tsy kôzy intsony
Ampangaina ny bandy ho mpirevy rongony
Tsy ny bandy ihany anefa fa ao ireo kitsay
Izay lazaina ho mofo sy tsy mba milay
Tsy mba misy mihitsy ny tsontsongona
Fa mihatra ny daka ary koa ny vonoana
Tsy taitra ary isika fa tena solotra
Satria izay rovitra mbola ho voazaitra
Dia mitohy indray ary izany ny tantara
K'aza mitaraiky fa mihainoa tsara
* "Zwam" no nosoratako teo t@ voalohany (ka Zwam tsinona no tao anatin'ilay boky koa!) fa Zoam ny marina. Jereo comment Rajiosy, io ambany io.
19:55 Ecrit par Mialy | Lien permanent | Commentaires (16) | Envoyer cette note | Tags : ZWAM, 1972, Antananarivo
Commentaires
Ecrit par : Ralaimavo | 16 septembre 2007
Répondre à ce commentaireary satria maro dia maro ny olona ory zavatra maro dia maro dia nitonon-tena koa ry zalahy ZOKAA taty an-dafy. izay mahita ny dikany omeko bonbô pectô !
Ecrit par : Rajiosy | 17 septembre 2007
Répondre à ce commentaireEcrit par : Mialy s'en fout | 17 septembre 2007
Répondre à ce commentaireExtrait du discours Président Tsiranana, diffusé sur la Radio nationale malgache le 13 mai 1972 dans l'édition du soir du bulletin d'infos.
"....Izao ihany no ambarako anareo Malagasy sy ny mpianatra rehetra. Izao no ambarako aminareo ray aman-drenin’ny mpianatra : Tandremo ! Teny olon-tsy manjary ireo. Donc, communistes izy ireo. Mamitaka ny zanakareo. Mamitaka anareo ray aman-dreny. Izany no azoko lazaina aminareo : Mitandrema !
…Eto izao, misy ny maty eto. Zovy no mamono azy ireo ? Ireo meneurs de grève ireo no namono azy. Satria raha tsy namorona ity grevy ity ry zareo dia tsy maty ireo olona ireo. Izany ! Noho izany, aoka ianareo ray aman-dreny, aoka ianareo mpianatra ! Eny, maro no maty nefa tianareo. Ka raha tianareo ny ho faty, manaraha azy ! Olona adaladala ianareo. Raha tsy tianareo ny ho faty, mijanona. . Izahay eo io tsy mampiasa raha tokony hamono anareo. Izany ! Tsy tianay velively ny hamono Malagasy. Nefa raha Malagasy te ho faty, he, miala tsiny izahay eo ankilan’Andriamanitra!
…Tokony hialanareo io olon-tsy manjary mandrisika ny zanakareo io. Raha tsy mijanona io, ny zanakareo no ho faty. Ary na ianareo aza, mety ho faty koa. Izany ! Izaho Prezidà no milaza izany aminareo eto…
Ny Fanjakana tsy mbola mampiasa armes. Fa raha ilainareo izany, na 2000 aza matinay, matinay indray mandeha e ! Na 2000, na 3000 indray mandeha…Tsak ! Maty iny ! Tsak ! Maty iny ! Raha afaka eo, na 5000, na 6000, na zato arivo ianareo tratra eo, dia…tsak !tsak !tsak !…Tapitra ianareo jiaby, raha izany no tadiavinareo. »
Ecrit par : Mialy s'en fout | 17 septembre 2007
Répondre à ce commentaireEcrit par : Rajiosy | 17 septembre 2007
Répondre à ce commentaireEcrit par : Zina | 18 septembre 2007
Répondre à ce commentaireEcrit par : Zaponezy | 18 septembre 2007
Répondre à ce commentaireEcrit par : zaponezy | 18 septembre 2007
Répondre à ce commentaireEcrit par : Mialy s'en fout | 18 septembre 2007
Répondre à ce commentaireLaingany ki zany ry Mialy fa ndry ihany no tiany a!tsy misy miandry zany ao!!!!
Ecrit par : cupidon | 20 septembre 2007
Répondre à ce commentaire- mandeha be ny resaka fa i J. K. dia bandy gasy mainty enin-dreny ==> sasa-miady amin'ny sekta ny Zoam noho io!;
- natakalon'i Ra8 lobaka bariolée feno motifs afro ny veste à carreaux an-drazoky;
- manao pataloha patte d'eph i Rajemison Rakotomaharo + solomaso mainty beuh mameno tava fa tsy le binoclar fôpla kely iny;
- tsy eo Antanimena ny Le Bus fa any Antohomadinika 3G Hangar
- sns...
Dia ito no mety ho lasa vavaky ny Zoam:
K'ez k'ez ry bandy mainty
Na dia namboarin-dry lerony aza i toi
Akama, mbola velona am-pon'ny pokona
Hey ireto Pakta, izay manindry aloka
Lazainy fa tsy amin'ny le oui ny revy
Raha tsy vitany matavy ny volan'ny pokona
Ary ireto tsain kosa hoy aho
Tsy mikiff an'ilay bandy manaintaina
Tsy miainga raha tsisy vam
Mba te hanapoaka le bandy ry Akama a
Mba omeo ny top rehetra
Mba tsy ho bôro ny mpanamaina
Le khali reveko iny mba hilafika any amin'ny vovo kely amin'izay
Mba manomeza na dia kely ny Akama aza a!
Ecrit par : 'Za Gasy! | 25 septembre 2007
Répondre à ce commentaireEcrit par : Zina | 26 septembre 2007
Répondre à ce commentaireNy ZOKAA = Zatovo Ory Kandra Aty Andafy ... izany sa ?
Ecrit par : tomavana | 26 septembre 2007
Répondre à ce commentaireEcrit par : jentilisa | 27 septembre 2007
Répondre à ce commentaireizao vao mody kely ny saiko fa marina io lazain'i jentilisa io : zalé western... dia tsy fantatro intsony ny tohiny.
Ecrit par : Rajiosy | 27 septembre 2007
Répondre à ce commentaireEcrit par : Laza | 23 mai 2008
Répondre à ce commentaireLes commentaires sont fermés.