27 août 2007
Aza misara-mianakavy
Fanjakana loham-boto
Tsy mba mety ho ela velona
Mbola hadio ireo maloto
Ho henatrin'ny olombelona!
Mbola ho avy ilay maraina
Ho foana ireo taraina
Hirain'ny zanak'olombelona
Hiaraka hifamelona...
Aza misara-mianakavy
Sy mitokatoka-monina
Ny herisetra aleo ho avy
Fa hiparitaka anaty haizina...
t
'Nareo ve tsy mahita hoe ity hira ity mihintsy no tena mi-incarner an'i Mahaleo amin'ny hirany rehetra?
18:20 Ecrit par Mialy | Lien permanent | Commentaires (6) | Envoyer cette note
Commentaires
raha i bekoto ihany aleoko paiso ra-kena ohatra
Ecrit par : Rajiosy | 27 août 2007
Répondre à ce commentaire"Si à 20 ans, tu n'es pas communiste, c'est que tu es egoïste. Si à 40 ans, tu es toujours communiste, c'est que tu n'as pas d'idée!" Ca, les Mahaleo l'ont bien compris! :)
Ecrit par : oldschool | 28 août 2007
Répondre à ce commentaireAnontanian'ny tarika mikasika izay tsoak'heviny mikasika ny firotsahany amin'ny politika i Dama izay solombavam-bahoaka tsimiankina tamin'ny andron-dRatsiraka ary nanao fampielezana mavitrika hoan'ny Ravalomanana kosa tamin'ny fifidianana azy voalohany. Dia ohatry ny mazava fa nisakana ny asa « tsikeran'ny fiainana andavan'andro » izay fanaon'ny tarika Mahaleo ny fidiran'ny mambran'ny tarika lalina amin'ny raharaham-pitondrana.
Amiko ity « mbola ho avy ilay maraina » ity dia tena ao tafiditra ao anatin'ilay « tsikeran'ny fiainana andavan'andro » ;) ary raha ny momba ahy manokana dia ireo hira diam-penin'i Raoul mikasika ny firenena no mba ankafiziko santionany amin'izany « somambisamby » :)
Ecrit par : tomavana | 28 août 2007
Répondre à ce commentaireSaingy raha tsaroanareo ilay Bekoto ao amin'ny film dia azo lazaina fa marikivy-mangidy izany (tsapa amin'ny hirany izany) ka aleoko faly endrika (tsapa amin'ny hirany izany) toa an'i Dama na dia tsy gisa mihitsy aza ingahirainy io.
Efa miresaka an'i Raoul dia tsy hitako izay maha-tsikera-politika-andavanandro an'i Somambisamby. Fa hira "mahery" sy "miasa" io : ao anatin'ny top 3 raha izaho manokana. Torak'izany koa ilay hoe "raha ho tonga indray izao ilay maraina vaovao" (Asa raha tadidinareo) nosoratan'i Raoul ihany koa. Hitako manan-kery lavitra noho ity "mbola ho avy ny maraina ity".
Ecrit par : Rajiosy | 28 août 2007
Répondre à ce commentaireTsy mety tafita, raha mamohifohy
Ka raiso ny ampinga, raiso ny hery
Handresy ireo kinga, tsy maneritery
Handrava fanànana, hamokatra fery
Tena « tsikeran'ny fiainana andavan'andro » mihintsy no tiako ambara ry Rajiosy fa tsy « tsikeran'ny politika andavan'andro » ;) Mba hanazavana ny tmahasamihafa azay dia aleo ambarako hoe « tsikeran'ny fiainana miantso fandraisana andraikitra hanòvana ny rafitra mipetraka » :D
Ahitana izany foto-kevitra izany koa na io hira « raha ho tonga indray izao ilay maraina vaovao » io [tsy « Maraina vaovao » fotsiny ve ny lohateny ?].
Izany ary no zava-misy
Mahonena nefa indrisy
Inona ary no ‘ndeha hatao
Hanoherana an’izao ?
na ity hiran'i Bekoto « Aza misara-mianakavy » ity
Aza misara-mianakavy
Sy mitokatoka-monina
Ny herisetra aleo ho avy
Fa hiparitaka anaty haizina
Ecrit par : tomavana | 29 août 2007
Répondre à ce commentaireEcrit par : Rajiosy | 29 août 2007
Répondre à ce commentaireLes commentaires sont fermés.