« Message in a bottle... | Page d'accueil | Breaking news (2) »
27 juillet 2007
Bonbô gasy...

Bonbô mantsy misy loko maro
Ho enti-mahatsiaro ireo zava-maro nataonao taloha
Bonbo mantsy mba voninkazo koa...

Bonbô mantsy
Maharitra am-bava
Mora mampisavava ny ngidin'ny fiainana efa mankalao!
Bonbo mantsy no solon-tsigara...

Bonbô mantsy
Zaraina aminao
Toa tsy mankalao fa mamy daholo izao tontolo izao
Bonbo mantsy mba fifaliana koa...

Bonbô mantsy
Raha sendra ka very
Tsy maha-te-hijery ireo masonao efa nanantena
Bonbo mantsy mba fahoriana koa...
21:20 Lien permanent | Commentaires (5) | Envoyer cette note | Tags : Lolo sy ny tariny
Commentaires
Tsy tany am-parihin'Itasy aho omaly,
Tsy nahita ilay voninkazo tianao,
Naleoko nitondra ireo bônbô gasy,
Hany mamy omeko anao ...
Tena mpankafy Lôlô aho fa misaotra betsaka. Taty aoriana aho nahatsikaritra fa foto-kevitra mitovy ny azy sy ny an'i Brel « J'vous ai apporté des bonbons, parce que les fleurs c'est périssable » Samy tiako avokoa izy roa :)
Ecrit par : tomavana | 28 juillet 2007
Mahafinaritra e. Heveriko fa Mylène Farmer no tena tianao?
Ecrit par : Excalibur | 30 juillet 2007
Tomavana : ie, mitovy tokoa angamba ilay inspiration e !
Mialy : Merci beaucoup pour cette chanson, une de mes preferees. La seule de Lolo dont je connaisse les paroles par coeur. Quelle bonne idee de l'avoir illustree ainsi.
Ecrit par : sipakv | 31 juillet 2007
ile bonbô gasy mantsy ilay tsetsafina tsara ozy aloha ilay prof de malagasinay a@ izany e
t@ nivoaka io hira io asa 1980/81 tany ho any ?
Ecrit par : Rajiosy | 20 août 2007
ao iarahako aminao hiraina io hira io .
Ecrit par : bilakarenjy | 13 septembre 2007
Les commentaires sont fermés.